Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FITOERANA MASINA ANY AN-DANITRA

Daty
Alahady 19 May 2024

Vakio ny Eks. 25:8, 9, 40 sy ny Heb. 8:1-6. Inona avy ireo Fitoerana Masina roa resahina ao amin'ireo andininy ireo?

Raha nandinika ny Soratra Masina ireo mpino advantista voalohany volana maromaro taorian'ny 1844 dia takatr'izy ireo fa Fitoerana Masina roa no resahin'ny Baiboly: ilay naorin'i Mosesy ary ilay tena izy any an-danitra. Ny teny hoe "fitoerana masina" araka ny ampiasana azy ao amin'ny Baiboly dia manondro, voalohany indrindra, ny tabernakely namboarin'i Mosesy amin'ny maha-môdely na "tandindon’ny zavatra any an-danitra azy. Ary faharoa, manondro ny "tena tabernakely" any an-danitra izay nasehon'ny Fitoerana Masina teto an-tany izany. Rehefa maty i Kristy dia tsy nisy heviny intsony ny fanompoam-pivavahana tandindona. Ny "tena tabernakely" any an-danitra no fitoerana masin'ny fanekena vaovao. Ary satria tanteraka amin'izao vanim-potoana misy antsika izao ny faminanian'ny Dan. 8:14, dia azo antoka fa ny Fitoerana Masina lazainy dia ny fitoerana masin'ny fanekena vaovao.

"Tamin'ny fiafaran'ny 2300 andro, izany hoe tamin'ny 1844, dia efa taonjato maro no tsy nisian'ny fitoerana masina teto an-tany. Noho izany dia tsy azo iadian-kevitra fa manondro ny fitoerana masina any an-danitra ny faminaniana hoe: Telonjato sy roa arivo andro, rehefa afaka izany dia hodiovina ny fitoerana masina". — HM, t. 431

Ny Fitoerana Masina tany an'efitra dia tandindon'ny Fitoerana Masina any an-danitra. Naneho mialoha ny drafi-pamonjen'Andriamanitra ireo fanompoam-pivavahana tao amin'ny Fitoerana Masina teto an-tany. Ny sorona tsirairay natolotra dia naneho ny sorona nataon'i Jesôsy amin'ny hazo fijalian'i Kalvary (jereo ny Jao. 1:29). Afaka amin'ny fanamelohan'ny fahotana isika noho ny sorona nataon'i Kristy. Voavela heloka isika. Foana ny helotsika rehefa manaiky ny sorona nataon'i Jesôsy ho antsika isika ary miaiky ny fahotantsika (1 Jao. 1:9). Tsy ilay Zanak'Ondry maty ho antsika fotsiny ihany i Jesôsy fa Mpisorona velona ho antsika koa.

Izao no hazavain'ny Heb. 7:25: "koa amin'izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy." Esoriny ny fanamelohan'ny ota ary vonjeny amin'ny herin'ny ota isika (Rôm. 8:1-4; 2 Kôr. 5:21). Ho antsika no anaovan'i Jesôsy asa fanompoana ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra. Noho ny fanelanelanana ataony dia tapaka ny fangejan'ny ota ny fiainantsika. Tsy eo ambanin'ny fanandevozana na ny fatoran'ny toetsika mpanota intsony isika. Afaka isika ao amin'i Kristy: afaka amin'ny fanamelohan'ny ota sy ny fifehezany. Manana toky ny amin'ny famonjena isika amin'ny fifikirantsika amin'i Kristy.

Midika inona ho anao ny fahafantarana fa any an-danitra i Jesôsy ary manao asa fanompoana ho anao, izany hoe any Izy manao fanelanelanana ho anao? Nahoana ianao no mila Mpanalalana? Nahoana izany fahamarinana izany no vaovao mahafaly? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (11)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal