Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FITOERANA MASINA ANY AN-DANITRA

Daty
Alahady 19 May 2024

Vakio ny Eks. 25:8, 9, 40 sy ny Heb. 8:1-6. Inona avy ireo Fitoerana Masina roa resahina ao amin'ireo andininy ireo?

Raha nandinika ny Soratra Masina ireo mpino advantista voalohany volana maromaro taorian'ny 1844 dia takatr'izy ireo fa Fitoerana Masina roa no resahin'ny Baiboly: ilay naorin'i Mosesy ary ilay tena izy any an-danitra. Ny teny hoe "fitoerana masina" araka ny ampiasana azy ao amin'ny Baiboly dia manondro, voalohany indrindra, ny tabernakely namboarin'i Mosesy amin'ny maha-môdely na "tandindon’ny zavatra any an-danitra azy. Ary faharoa, manondro ny "tena tabernakely" any an-danitra izay nasehon'ny Fitoerana Masina teto an-tany izany. Rehefa maty i Kristy dia tsy nisy heviny intsony ny fanompoam-pivavahana tandindona. Ny "tena tabernakely" any an-danitra no fitoerana masin'ny fanekena vaovao. Ary satria tanteraka amin'izao vanim-potoana misy antsika izao ny faminanian'ny Dan. 8:14, dia azo antoka fa ny Fitoerana Masina lazainy dia ny fitoerana masin'ny fanekena vaovao.

"Tamin'ny fiafaran'ny 2300 andro, izany hoe tamin'ny 1844, dia efa taonjato maro no tsy nisian'ny fitoerana masina teto an-tany. Noho izany dia tsy azo iadian-kevitra fa manondro ny fitoerana masina any an-danitra ny faminaniana hoe: Telonjato sy roa arivo andro, rehefa afaka izany dia hodiovina ny fitoerana masina". — HM, t. 431

Ny Fitoerana Masina tany an'efitra dia tandindon'ny Fitoerana Masina any an-danitra. Naneho mialoha ny drafi-pamonjen'Andriamanitra ireo fanompoam-pivavahana tao amin'ny Fitoerana Masina teto an-tany. Ny sorona tsirairay natolotra dia naneho ny sorona nataon'i Jesôsy amin'ny hazo fijalian'i Kalvary (jereo ny Jao. 1:29). Afaka amin'ny fanamelohan'ny fahotana isika noho ny sorona nataon'i Kristy. Voavela heloka isika. Foana ny helotsika rehefa manaiky ny sorona nataon'i Jesôsy ho antsika isika ary miaiky ny fahotantsika (1 Jao. 1:9). Tsy ilay Zanak'Ondry maty ho antsika fotsiny ihany i Jesôsy fa Mpisorona velona ho antsika koa.

Izao no hazavain'ny Heb. 7:25: "koa amin'izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy." Esoriny ny fanamelohan'ny ota ary vonjeny amin'ny herin'ny ota isika (Rôm. 8:1-4; 2 Kôr. 5:21). Ho antsika no anaovan'i Jesôsy asa fanompoana ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra. Noho ny fanelanelanana ataony dia tapaka ny fangejan'ny ota ny fiainantsika. Tsy eo ambanin'ny fanandevozana na ny fatoran'ny toetsika mpanota intsony isika. Afaka isika ao amin'i Kristy: afaka amin'ny fanamelohan'ny ota sy ny fifehezany. Manana toky ny amin'ny famonjena isika amin'ny fifikirantsika amin'i Kristy.

Midika inona ho anao ny fahafantarana fa any an-danitra i Jesôsy ary manao asa fanompoana ho anao, izany hoe any Izy manao fanelanelanana ho anao? Nahoana ianao no mila Mpanalalana? Nahoana izany fahamarinana izany no vaovao mahafaly? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal