Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tenako tsy niafina taminao

Daty
Alahady 21 January 2024

Vakio ny Sal. 139:1-18. Ahoana no anoritsoritan'izany ny herin' Andriamanitra (Sal. 139:1-6), ny fanatrehany (Sal. 139:7-12), ary ny fahatsarany (Sal. 139:13-18) amin'ny fomba kanto? Hitantsika eto ny fahalehibiazan'Andriamanitra; inona no ambaran'izany momba ireo teny fikasany?

Efa naniry hanampy olona ve ianao kanefa tsy nanana ny fomba hoenti- manatanteraka izany? Toy izany koa, misy olona miezaka manampy anao kanefa tsy fantany izay tena ilainao. Andriamanitra kosa, Izay tsy misy tahaka Azy na dia ireo olona be fitiavana sy tsara sitrapo indrindra aza, dia mahalala antsika sy ny toe- javatra iainantsika an-tsipiriany, ary hainy koa ny fomba hanampiana antsika. Noho izany, ny teny fikasany dia toky azo antoka fa tsy kobaka am-bava tsy akory.

Lehibe loatra sady tsy manam-paharoa ny fahalalan'Andriamanitra ilay mpanao Salamo, hany ka na dia ny kibon-dreniny aza tsy mahafina azy tsy ho hitan'Andriamanitra (Sal. 139:13,15). Mahakasika ny fotoana (Sal. 139:2), ny toetra anatin'ny maha-olona (Sal. 139:2,4), ary ny toerana (Sal. 139:3) ny fahalalan'Andriamanitra - dia ny fiainan'ilay mpanao Salamo manontolo. Amin'ny maha-Mpahary Azy, sy noho ny fifandraisany ety amin'ny olona, ary ny fiahiany azy ireo amin'ny fomba azo tsapain-tanana, no ananan'Andriamanitra izany fahalalana mahagaga izany.

lo fahamarinana mahavariana io, izany hoe ny fahafantaran'Andriamanitra tanteraka antsika, dia tsy tokony hampatahotra antsika fa hitondra antsika kosa ho eo an-tsandrin'i Jesôsy, hiantehitra amin'izay nataony ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana. Nomena antsika amin'ny alalan'ny finoana Azy mantsy ny fahamarinan'i Jesôsy, dia "ny fahamarinan'Andriamanitra" (Rôm. 3:5,21).

Ny fanoritsoritana fa tonga hatrany amin'ny fiainan-tsy hita (sheol, na "Fasana") sy ny "maizina" Andriamanitra (Sal. 139:8,11,12), izay tsy toeram-ponenany mahazatra, dia manasongadina ny fanatrehany. Aseho koa izany amin'ny filazana hoe "maka ny elatry ny maraina (...)" mba ho "any am-paran'ny ranomasina" - Sal. 139:9. Izao no tian'ireo sary an'ohatra ireo ambara: tsy misy toerana tsy tratran'Andriamanitra na aiza na aiza eto amin'izao tontolo rehetra izao. Na dia tsy anisan'izao tontolo izao araka ny finoan'ny olona aza Andriamanitra dia akaiky azy tokoa, satria tsy vitan'ny nahary azy Izy fa mihazona azy koa (jereo ny Heb. 1:3).

Noho ny fahafantarany ny momba antsika manontolo dia afaka manampy sy manasitrana antsika Andriamanitra. Mahavelom-piderana sy manavao ny fitokian'ilay mpanao Salamo ny fahatsapana mazava ny fahalehibiazan'Andriamanitra. Ny fandinihan'Andriamanitra ny tsipirian'ny tenany dia ekeny ho fitaovana afaka manaisotra izay rehetra manelingelina ny fifandraisany amin'Andriamanitra eo amin'ny fiainana.

Mety hampatahotra ny sasany ny fieritreretana fa mahafantatra zavatra betsaka toy izany momba azy Andriamanitra, eny, na dia ny tsiambaratelony miafina indrindra aza. Nahoana anefa ny filazantsara no hany fanantenana ho antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal