Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY TENIN'ANDRIAMANITRA IRERY IHANY 

Daty
Alahady 28 April 2024

Vakio ny Sal. 119: 103,104; Sal. 119: 147; sy ny Sal. 119: 104. Manao ahoana ny fandraisan'i Davida ny Tenin'Andriamanitra? Manao ahaoana ny akon'izany teo amin'ireo mpanavao fivavahana? Ary eo amin'ny fiainantsika ankehitriny?

Ny Baiboly no fototra niorenan'ny finoan'ireo mpanavao fivavahana sy votoatin'ny fampianarany. Takatr'izy ireo fa "ny tenin'Andriamanitra, izay velona sady maharitra" - 1 Pet. 1:23 no teo an-tanany. Sarobidy tamin'izy ireo ny voanteny tsirairay avy. Nohatanjahina ny finoan'izy ireo ary nohavaozina ny herim-pony raha namaky ireo takilany sy nino ireo teny fikasany. "Toy izany koa ny amin'ireo teny fikasana rehetra ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. Miteny amintsika tsirairay Izy amin'ny alalan'ireny, toy ny miteny mivantana ka ny feony tokoa no rentsika. Ao amin'ireo teny fikasana ireo no ahazoan'i Kristy mampita amintsika ny fahasoavany sy ny heriny. 'Ravin'ny hazo izay fanasitranana ny firenena' ireny. Apôk . 22:2. Raha raisina ka tsakotsakoina izy ireny, dia manjary tanjaka ho an'ny toetra amam-panahy, hanentana sy hanohana ny fiainana. Tsy misy zavatra hafa manana hery manasitrana toy izany. Tsy misy zavatra hafa afaka hizara herim-po sy finoana toy izany ka hanome hery mamelombelona ny tena manontolo." — TM F, t. 71.

Mitondra fifaliana mampisava ny alahelontsika ny Soratra Masina, fanantenana ao anatin'ny hakiviantsika, ary fahazavana ao anatin'ny aizina misy antsika. Mitari-dalana antsika ao anatin'ny savorovoro izy, manome toky antsika ao anatin'ny fahaverezan-kevitra, mitondra hery hanampy amin'ny fahosantsika, ary fahendrena ho an'ny tsy fahalalantsika. Rehefa misaintsaina ny Tenin'Andriamanitra isika ka matoky amim-pinoana ny teny fikasany, dia hampahatanjaka ny tenantsika manontolo ny herin'Andriamanitra mpitondra fiainana, na ara-batana, na ara-tsaina, na ara-pihetseham-po, na koa ara-panahy.

Nofenoin'ireo mpanavao fivavahana Soratra Masina ny sainy. Niveloman'izy ireo ny Teny ary maro tamin'izy ireo no namoy ny ainy noho ny amin'ny Teny. Tsy mba toetran'ireo Kristianina ireo ny tsy rototra, na tsy miraika, na manao rainazy, na maneho fanoloran-tena ivelambelany. Fantany fa raha tsy miaraka amin'ny herin'ny Tenin'Andriamanitra dia tsy hahatohitra ny herin'ny ratsy mirohotra hamely azy izy ireo. Ny fanirian'i John Wycliffe dia ny handika ny Baiboly amin'ny teny anglisy hahafahan'ny olon-tsotra mamaky sy mahatakatra izany. Ary satria noraran'ny lalàna izany dia notsaraina izy noho ny finoany, ka voaheloka ho faty amin'ny maha-heretika azy. Nandritra ny fitsarana azy dia nanao antso avo i Wycliffe. "Araka ny fihevitrareo, (...) iza no iadianareo? Lahiantitra efa eo am-baravaram-pasana ve? Tsia! fa ny Fahamarinana, ny Fahamarinana izay mahery noho ianareo, ka haharesy anareo"  — Wylie, b. 2, toko 13, voalaza ao amin'ny Hery Mifanandrina, t. 91. Tanteraka ireo tenin'i Wycliffe farany rehefa nampisava ny haizin'ny Vanim-potoana Antenantenany ny fahazavan'ny fahamarinan'Andriamanitra.

Fomba ahoana no efa nampaherezan'ny Soratra Masina anao tao anatin'ny fotoam-pitsapana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (54)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal