Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY TSIAMBARATELON'NY ASA FANOMPOAN'I JESÔSY

Daty
Alarobia 10 July 2024

Vakio ny Mar. 1:35-39. Inona ny lesona manan-danja azo tsoahina avy amin'izay nataon'i Jesôsy teto?

Nifoha mialoha ny hiposahan'ny masoandro i Jesôsy ary nitokana tany amin'ny toerana iray tsy nisy olona mba hivavaka. Asongadin'ny Mar. 1:35 ho ivon'ny asa ataon'i Jesôsy ny vavaka. Naseho tamin'ny endrika voafintina ny matoanteny rehetra ao amin'io fehezanteny io - nifoha Izy, nivoaka, ary nandeha (nankany...) (amin'ny filazam-potoana lasa avokoa ireo amin'ny teny grika, izay midika fa efa vita izany asa izany). Ny matoanteny "mivavaka" kosa, indrindra eto, dia aseho amin'ny endrika mitory fitohizan'asa, izany hoe mbola manao ilay asa Izy. Asongadin'ny lahatsoratra koa fa maraina vao mangiran-dratsy no nivoahan'i Jesôsy, midika izany fa naharitra ny fotoana nitokanany mba hivavaka.

Manerana ny Filazantsara no ahitantsika fa olon'ny vavaka i Jesôsy (jereo ny  Hita fa izany no iray amin'ireo tsiambaratelon'ny herin'ny asa fanompoana nataony.

Vakio ny Lio. 6:12. Inona no ampianarin'izany mikasika ny fiainam- bavak'i Jesôsy?

Manana fotoana raikitra ivavahana ny ankamaroan'ny Kristianina. Mety ary tsara tokoa izany fomba izany, kanefa mety ho tonga fahazarana fotsiny ary zary tsianjery aza. Azo atao ny miova amin'ny mahazatra amin'ny alalan'ny fanovana tsindraindray ny ora ivavahana na koa amin'ny fivavahana mandritra ny fotoana maharitra kokoa.

Tsy nanaraka an'i Jesôsy tany amin'ny toerana nivavahany i Petera sy ireo namany. Azo heverina anefa fa fantatr'izy ireo izany toerana izany satria hitany Izy. Ny filazan'izy ireo fa nitady an'i Jesôsy ny olona rehetra dia manondro fa nanohy ny fanandramana nampientanentan'ny fanasitranana sy ny fampianarana izay niainany ny omalin'io Izy. Nahagaga ny nandavan'i Jesôsy izany sy ny nanondroany saham-panompoana lehibe kokoa any amin'ny toeran-kafa. "Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin'ny tanana akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izany no nahatongavako." - Mar. 1:38.

Raha toa i Jesôsy nila fotoana betsaka nivavahana tahaka izany, ahoana kosa ny amintsika, ary manao ahoana ny habetsahan'ny fotoana tokony holanintsika amin'ny fivavahana? Inona no ambaran'ny ohatra nasehon'i Jesôsy antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (34)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal