Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY VAOVAO MAHAFALIN'NY EFITRA MASINA INDRINDRA 

Daty
Alarobia 22 May 2024

Vakio ny Heb. 4:14-16 sy ny Heb. 10:19-22. Inona ny toky sy fanasan'Andriamanitra omen'ireo andininy ireo antsika tsirairay avy?

 Izao no hafatr'i Paoly ao amin'ny epistily ho an'ny Hebreo: "aoka (...) hihazona", "hanatona (...) amin'ny fahasahiana", "aza kivy", afantohy amin'i Jesôsy ilay Mpisoronabentsika lehibe ny finoanao. Manana izay rehetra ilaintsika isika ao amin'i Jesôsy. Amin'ny finoana dia azontsika atao ny miditra ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra amin'ny alalan'ny "Ialana vaovao sady velona" izay nosokafan'i Jesôsy ho antsika.

Rehefa mijery ny kianja isika dia mahita ny ra eo amin'ireo tandroky ny alitara varahina. Ao amin'ny Fitoerana Masina dia hitantsika ny ra eo amin'ny tandroky ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra. Hitantsika ny ra nafafy teo amin'ny efitra lamba manoloana ny rakotra fanaovam-panavotana.

Manomana ny lalana amin'ny dingana tsirairay ny ran'i Jesôsy. Manome antsika fanantenana izany satria tsy azontsika atao ny hihavana indray amin'Andriamanitra raha tsy mamela antsika i Jesôsy ary mamafa ny fahotantsika. Tsy manam-petra ny famindram-pon'Andriamanitra ary toy izany koa ny fahamarinany. Ny rariny anefa dia tsy afaka hanaiky ny sorona ataon'i Kristy ho fanonerana ny fahadisoantsika raha tsy manome antoka ny hamela ny fahotantsika aloha i Jesôsy ary hamafa izany aorian'izay.

Vakio ny Apôk. 11:19. Ao amin'ny tontolon-kevitry ny fifanandrinana lehibe; nahoana no misy heviny izany fahitana izany? Ahoana no anehoan'izany nv fifandraisana tsy azo tapahina eo amin'ny lalàna sy ny filazantsara?

Eo amin'ny famirapiratana sy ny voninahitry ny fanatrehan'Andriamanitra ao amin'ny efitra misy ny seza fiandrianan'izao tontolo ary rehetra izao, eo am-pototry ny seza fiandrianan'Andriamanitra no ahitantsika ny lalàn'Andriamanitra ao amin'ny fiaran'ny fanekena. Ao amin'ny efitra masina indrindra no anehoana ny rariny sy ny famindram-pon'Andriamanitra. Tsy misy fahefana eto an-tany afaka manova ny lalàn'Andriamanitra satria, ankoatra ny antony hafa, dia voarakitra ao amin'ny fiaran'ny fanekena any an-danitra izany. Izao no ambaran'ny Heb. 8:10: "Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak’Isiraely, rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehôvah : Dia hataoko ao an-tsainy ny lalako, sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko". Rehefa miditra ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra amin'ny alalan'ny finoana isika dia mahazo ny famelana ny helotsika tamin'ny lasa ary koa fahafahana miaina fiainam-pankatoavana noho ny amin'i Kristy izay maty ho antsika sy manoratra ny lalana ao am-pontsika. Mahavonjy antsika "tokoa" i Jesôsy (Heb. 7:25). Mamonjy antsika tanteraka sy amin'ny fomba feno Izy -mba hahatonga antsika ho afaka amin'ny sazin'ny fahotana sy ny herin'izany.

Nahoana ny fanelanelanana ataon'i Jesôsy no vaovao mahafaly tokoa? Raha mijoro eo anatrehan'ny lalàna isika araka ny maha-fenitry ny fahamarinana izany, Inona ny fanantenana hananantsika raha tsy eo ny filazantsara? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal