Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TANTARA MIFANOSONA : FIZARANA 2

Daty
Alakamisy 18 July 2024

Vakio ny Mar. 3:20,21. Inona no nahatonga ny fianakavian'i Jesôsy hihevitra Azy ho very saina?

Ny filazana olona iray ho very saina dia teny henjana tokoa. Efa tsy miaro ny ain'ny tenany intsony ilay olona matoa tonga amin'izany tsoa-kevitra izany. Izany no tsapan'ny fianakavian'i Jesôsy momba Azy satria hitany sahiran-doatra Izy ka tsy niato mba hihinan-kanina. Rehefa tapa-kevitra ny haka Azy ny havan'i Jesôsy, dia teo no nisosoka ny tantaran'ireo mpanora-dalána izay nanameloka an'i Jesôsy ho mpiray tsikombakomba amin'ny devoly.

Toa misy fifandraisany hafahafa eo amin'ilay tantara voalohany sy ilay tantara misosoka. Toa mitovy fomba fijery amin'ny mpanora-dalána na dia ny fianakavian'i Jesôsy aza. Very saina Izy, hoy ny havany. Miray tendro amin'ny demonia Izy, hoy ny mpanora-dalana.

Vakio ny Mar. 3:31-35. Inona ny notadiavin'ny fianakavian'i Jesôsy hatao? Ary inona no nasetrin'i Jesôsy izany?

Toa hafahafa ny toe-java-mitranga eto. Raha tonga miantso anao mba te hihaona aminao ny reninao na ny mpiray tampo aminao, tsy tokony hitsena azy ireo ve ianao? Ny olana tamin'io fotoana io dia ity: tsy nifanaraka tamin'ny sitrapon Andriamanitra ny fihetsiky ny fianakavian'i Jesôsy. Fantatr'i Jesôsy izany zava-misy izany, koa nofaritany indray, ao amin'ireo andininy ireo, ny atao hoe fianakaviana. Zanak'Andriamanitra Izy, ary izay rehetra manao ny sitrapon'Andriamanitra no manjary ankohonany.

Misy toe-javatra mahatsikaiky sy mampieritreritra lalina ao amin'ireo tantara roan'ny "Sandwich Story" (tantara mifanosona) nosoratan'i Marka ireo. Ao amin'ilay tantara nasosoka dia milaza i Jesôsy fa izay miady an-trano dia tsy haharitra. Ao amin'ilay tantara voalohany anefa dia toa ny ao an-tranon'i Jesôsy mihitsy no misara-tsaina! Kanefa novahan'i Jesôsy izany olana izany tamin'ny namaritany indray ny atao hoe fianakaviana. Izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no tena ankohonany marina (jereo ny Lio. 12:53, Lio. 14:26).

Hita manerana ny tantara fa matetika ny Kristianina no manjary tafasaraka amin'ny ankohonany. Fanandramana tsy mora izany. Asehon'ireo andininy ao amin'ny Marka ireo fa efa nandalovan'i Jesôsy koa izany zava-tsarotra izany. Tsapany ny manjo ireo izay tratran'io fisarahana mampahory fo io, koa hainy ny mampahery azy ireo amin'izany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal