Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TENY FIKASANA NY AMIN'NY FIVERENANY 

Daty
Alahady 12 May 2024

Niandry fatratra ny fiavian'i Jesôsy ireo mpanavao fivavahana prôtestanta sy ireo mpivahiny niala tany Hollande ho any amin'ny "Tontolo Vaovao". Ho azy ireo, ny fiavian'i Kristy fanindroany dia toe-javatra mahafaly nandrandrain'izy ireo fatratra. Niandry ny fiavian'i Kristy amin'ny maha-fanantenan'ny fiangonana izany i John Wycliffe. Naneho ny hevitr'ireo mpanavao fivavahana rehetra i Calvin raha nilaza ny amin'ny fiavian'i Kristy be voninahitra hoe "tranga mahafinaritra indrindra". Natao harahabaina amim-pifaliana ny fiavian'i Kristy fanindroany ho an'ireo olon'Andriamanitra mahatoky, na lahy na vavy, fa tsy zavatra hatahorana.

Vakio ny Jao. 14:1-3, 1 Tes. 4:13-18, sy ny Tit. 2:11-14. Nahoana ireo andinin-tSoratra Masina ireo no nitondra fanantenana toy izany ho an'ny Kristianina nandritra ny taonjato maro?

Mora ny mahatakatra ny antony nahatonga ny finoana ny fiavian'i Kristy fanindroany ho nitondra fanantenana sy fifaliana toy izany ho an'ireo Kristianina mino ny Baiboly. Manambara izany fa tapitra hatreo ny aretina, ny fijaliana, ary ny fahafatesana. Foana koa ny fahantrana, ny tsy rariny ary ny fampahoriana. Mampanantena fiafaran'ny adilahy sy ny fifandirana, ary ny tolona izany. Manambara mialoha ny hisian'ny tontolo feno fiadanana sy fahasambarana ary fiaraha-monina maharitra feno firahalahiana amin'i Kristy sy ireo voavonjy mandritra ny taona rehetra mandrakizay izany.

 "Ny fiavian'ny Tomponao no fanantenana nandritra ny taonjato rehetra ho an'ireo tena mpanaraka Azy marina. Ny teny fikasana nataon'ny Mpamonjy, raha niainga teo amin'ny tendrombohitra Oliva, fa ho avy indray Izy, dia nanazava ny ho avin'ny mpianany, nameno ny fony tamin'ny fifaliana sy ny fanantenana izay tsy nety ritran'ny fahoriana na vasoky ny fitsapana. Teo anivon'ny fahoriana sy ny fanenjehana dia `fanantenana mahafinaritra' ny fisehoan'Andriamanitra lehibe sy Jesôsy Kristy Mpamonjy antsika'. Raha feno alahelo ireo Kristiana tany Tesalonika teo am-pandevenana ny malalany izay efa nanantena ny ho velona hahita maso ny fiavian'ny Tompo dia nanondro azy ireo ny fitsanganany amin'ny maty izay hisy amin'ny fiavian'ny Mpamonjy i Paoly, mpampianatra azy. Amin'izay dia hitsangana ny maty ao amin'i Kristy ka hakarina miaraka amin'ny velona `hitsena ny Tompo eny amin'ny rahona'. Dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika', hoy izy `Koa dia mifampionona ianareo amin'izany teny izany." HM, t. 316.

Nahoana no zava-dehibe tokoa ho an'ny finoantsika ny fiavian'i Kristy fanindroany? Noho ny fahafantarantsika manokana fa ny maty dia matory (jereo ny lesona 10), nahoana no manan-danja  lehibe toy izany io fampianarana io? Raha tsy misy izany, nahoana no ho foana tanteraka ny fanantenantsika (jereo ny 1 Kôr. 15:15-18)? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal