Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy ho tanteraka mihitsy ve ny teny fikasany?

Daty
Alarobia 31 January 2024

Vakio ny Sal. 77. Inona ny fanandramana lalovan'ny mpanoratra eto?

Manomboka amin'ny antso atao amin'Andriamanitra ho fangatahana ny fanampiany ny Sal. 77, izay feno fitarainana sy fahatsiarovana maharary momba ny lasa (Sal. 77:1-6). Amin'alahelo lehibe no ampitodihan'ny mpanao Salamo ny momba azy rehetra amin'Andriamanitra. Laviny ny handray fampaherezana hafa ankoatra izay avy amin'Andriamanitra.

Toy ny nampitombo ny fahoriany anefa ny fahatsiarovana an'Andriamanitra. "Rehefa mahatsiaro an'Andriamanitra aho, dia misamboaravoara ny ato am-poko" - Sal. 77:3, ESV. Ny teny hebreo hamah, "misamboaravoara" dia matetika hoentina milaza ny feon'ny ranomasina mirohondrohona (Sal. 46:3). Tahaka izany koa, ny momba ilay mpanao Salamo manontolo mihitsy no tsy mahatsapa fitoniana.

Nahoana moa ny fahatsiarovana an'Andriamanitra no miteraka fahatsapana fahoriana? Fanontaniana mampanahy maro no maneho ny anton'ny tebitebiny (Sal. 77:7-9): moa niova ve Andriamanitra? Azo heverina ve ny hivadihany amin'ny Fanekeny?

Mahatonga ilay mpanao Salamo hahatsiaro ho nafoin'Andriamanitra ny fahasamihafana lehibe eo amin'ny asam-pamonjen'Andriamanitra tamin'ny lasa sy ny fanginany ankehitriny. Raha toa ka niova Andriamanitra dia tsy manana fanantenana izany ilay mpanao Salamo; fehin-kevitra tsy tiany hekena izany.

Etsy andaniny dia tsy matory ilay mpanao Salamo satria mampiari-tory azy Andriamanitra (Sal. 77:4). Mampahatsiahy olona hafa ao amin'ny Baiboly izany, izay nampiasan'Andriamanitra ny tsy fahitan-torimaso mba hahatanteraka ny Fikasany (Gen. 41:1-8; Est. 6:1; Dan. 2:1-3). Nahatonga ilay mpanao Salamo hihevitra ny fanafahan'Andriamanitra tamin'ny lasa, saingy miaraka amin'ny fanapahan-kevitra vaovao, ny alina lava tsy nahitany torimaso (Sal. 77:5,10).

Ny toky voarain'ilay mpanao Salamo avy amin'Andriamanitra dia tsy fanazavana mikasika ny toe-javatra iainany manokana fa fanambarana ny fahatokian'Andriamanitra sy ny maha-azo itokiana Azy (tahaka ny tamin'i Jôba). Nampaherezina ilay mpanao Salamo mba hiandry an'i Jehovah amin'ny finoana, satria fantany fa Izy ihany ilay Andriamanitra nanao fahagagana tamin'ny lasan'ny Isiraely (Sal. 77:11-18). Tsapan'ny mpanao Salamo koa fa "tsy fantatra ny dian-tongotrao" - Sal. 77:19; miaiky ny fitarihan'Andriamanitra izy na dia ao anatin'ny toe-javatra izay tsy hahitan'ny olona maso ny fanatrehany aza. Ekeny fa sady manatrika Andriamanitra no miery, ary amin'izany no hanandratany fiderana ho an'i Jehovah noho ny fomba feno zava-miafina sy fahamboniana.

Eritrereto ny fotoana lasa izay niasan'Andriamanitra teo amin'ny fiainanao. Ahoana no hanampian'izany fahamarinana izany anao hiatrika ny toe-javatra lainanao ankehitriny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (20)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal