Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 04 October 2025

Hodinihana mandritry ny herinandro: Jos.2:1-21; Nom. 14:1-12; Heb. 11: 31; Eks.12:13; Jos. 9; Neh. 7:25.

Tsianjery: "Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin’ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany talin’ny fihavanana izy." - Heb.11:31

Nahoanan re aho no nanao izany indray e? Angamba efa niteny toa izany avokoa isika rehetra. Ny tantara rahateo miverina, ary tsy vitan'izany fa ny olombelona koa, ary isika manokana, dia mamerin-javatra. Impiry moa isika no mamerina fahadisoana iray!

Namindrana fo indray ny Isiraely mba ho tafiditra ao amin'ny Tany Nampanantenaina, ary raisi n'i Josoa am-po izany iraka izany. Voalohany, andeha hotakarintsika mazava ny momba izay natrehin'izy ireo. Naniraka mpisafo tany roa i Josoa mba hahalalany izay tokony ho fantatra momba ny tany: ny rafi-piarovana azy, ny fahavononany ara-miaramila, ny famatsian-dranon'ny tanàna, ary ny toetran'ny mponina manoloana ny fanafihana.

Mety hihevitra isika fa tsy nitaky ezaka avy tamininy Isiraely ilay teny fikasan'Andriamanitra hanome azy ireo ny tany. Kanefa na manana antoka ny fanohanana avy amin'Andriamanitra aza izy ireo dia tsy manafoana ny andraikitry ny olombelona izany. Nijoro fanindroany teo amin'ny sisin-tanin'i Kanana ny Isiraely. Namelovelo ny fanantenany; nefa tamin'ilay fotoana farany nijoroan'izy ireo teo amin'io sisin-tany io, sy nampanaovana azy io asa io, dia tsy fahombiazana nampivalaketraka no vokany.

Ho hitantsika amin'ity herinandro ity ny roa amin'ireo tantara mahaliana indrindra ao amin'ny bokin'i Josoa, ary ho tsapantsika ny lanjan'izany ho an'ny finoantsika ankehitriny. Mahatalanjona antsika hatrany ny fahasoavan' Andriamanitra, amin'ny fomba tsy misy fetra.

Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray

Daty
Alahady 05 October 2025

FAMINDRAMPO INDRAY

Vakio ny Jos. 2:1, Nom. 13:1,2,25-28,33 sy ny Nom. 14:1-12. Nahoana i Josoa no naniraka mpisafo tany roa ho fanombohana ny fanatanterahany ilay iraka mba haka ny tany Kanana?

"Shittim", ao amin'ny lahatsoratra hebreo, no anaran'ilay toerana niaingan'ireo mpisafo tany roa nirahina, ary mampahatsiahy antsika tranga ratsy roa teo amin'ny tantaran'ny Isiraely izany.

Ny voalohany dia tantarana mpisafo tany roa hafa (jereo ny Nom. 13) izay ahitana singa manan-danja mitovy: ny fanirahana ny mpisafo tany, ny fidiran'izy ireo miafina tao amin'ny faritanin'ny fahavalo, ny fiverenany, ny tatitra nataony momba ny zavatra hitany, ary ny fanapahan-kevitra hanao zavatra araka izany tatitra izany.

Ny tranga faharoa tao Sitima no anisan'ny nanehoan'ny Isiraelita fihetsika feno fikomiana sy fanompoan-tsampy indrindra tamin'ny nandikany ny fanekena, rehefa notarihin'i Balama, ka nijangajangany tamin'ny vehivavy Moabita sy niankohofany tamin'ny andriamanitr'izy ireo (Nom. 25:1-3; Nom. 31:16). Tao anatin'izany tontolon-kevitra izany dia nanjary niteraka fitaintainana ny amin'ny ho tohin'ny tantara manontolo ny anarana hoe Sitima. Tsy fahombiazana indray ve no hitranga eo an-tsisin-tanin'ny Tany Nampanantenaina? Sa ho tanteraka ve ilay teny fikasana efa nandrasana ela?

Vakio ny Jao. 18:16-18,25-27, sy ny Jao. 21:15-19. Inona no fitoviana hitanao eo amin'ny famindram-po nomena ny Isiraely amin'ny maha-firenena azy sy ny nomena an'i Petera amin'ny maha-olon-tokana azy?

Andriamanitry ny famindrampo tokoa Andriamanitra. "Fahasoavana" no ilazan'ny Baiboly izany famindrampo izany. Ny atao hoe fahasoavana dia tsotra: ny mandray izay tsy mendrika ny tena akory (ampitahao amin'ny Rôm. 5:2; Efes. 2:8; Rôm. 11:6). Manome maimaimpoana fiaingana vaovao ho an'ny olona tsirairay Andriamanitra (Tit. 2:11-14). Nanandrana io fahasoavana io i Petera, ary niantso ny fiangonana mba hitombo amin'ny fahasoavana (2 Pet. 3:18). Ity aza no tena vaovao mahafaly: tsy indray mandeha Andriamanitra no mamindra fo fa imbetsaka! (Raha tsy izany, inona no mety ho efa nanjo antsika?)

Diniho ny fanandramana niainan'ny Isiraelita rehefa nomena fahafahana fanindroany hiditra ny tany Kanana izy ireo, ary koa ny tahasoavana naseho an'i Petera rehefa nandà ny Tompony izy. Inona no tokony hampianarin'izany antsika ny amin'ny tokony hanehoantsika fahasoavana ho an'izay mila izany?

Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina

Daty
Alatsinainy 06 October 2025

ZAVA-MANANDANJA TAO AMIN’NY TOERANA TSY AMPOIZINA

Vakio ny Jos. 2:2-11, Heb. 11:31, ary ny Jak. 2:25. Inona no ambaran’ireo andininy ireo mikasika an-dRahaba?

Ny misongadina amin'ny tantaran'i Rahaba dia ny lainga nataony mba hiarovana ireo mpisafo tany. Eo am-pandinihantsika ny laingany, dia tokony ho fantatsika fa tao anatin'ny fiarahamonina difotry ny fahotana no nisy azy, izay nitarika ho amin'ny fitsaran’Andriamanitra izany fiarahamonina izany (Gen. 15:16; Deo. 9:5; Lev. 18:25-28). Na marina aza fa midera ny finoany ny TV, rehefa dinihina tsara ireo andininy ao amin'ny TV miresaka momba izay nataony, dia tsy misy fanamarinana na fankasitrahana ny momba azy sy ny laingany tsy akory hita ao.

Manamafy ny fananany finoana ny Heb. 11:31, tamin'ny nanapahany hevitra hiandany tamin'ireo mpisafo tany fa tsy nifikitra tamin'ny kolontsaina ratsy. Ny Jak. 2:25 dia midera azy noho ny nandraisany ireo iraka Isiraelita roa sy ny nanoroany azy ireo lalana azo antoka hiverenana. Tao anatin'ny kolontsaina mitotongana sy fomba fiaina feno fahotana nisy an-dRahaba, dia nahita pitik'afom-pinoana tao aminy Andriamanitra, noho ny fahasoavany, izay nahafahany namonjy azy. Nampiasain’ Andriamanitra ny tsara tao amin-Rahaba dia ny finoany Azy sy ny safidiny ho isan'ny olony - fa tsy nankasitraka ny zava-drehetra nataony tsy akory Izy. Nanan-danja tamin'Andriamanitra i Rahaba noho ny herim-pony miavaka, noho ny finoany feno fahasahiana, noho izy nitondra famonjena, ary noho ny nifidianany an'Andriamanitry ny Isiraely.

Hoy i Rahaba noho ny fahafantarany ny zava-nitranga: "fa Jehôvah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra amin'ny lanitra ambony sy ety amin'ny tany ambany" Jos. 2:11. Zava-dehibe ny mandre vehivavy Kananita iray miaiky fa i Jehôvah no hany Andriamanitra, indrindra teo ambonin'ny tafo izay, raha ny fivavahany amin'ny maha-mpanompo sampy azy, dia toerana nanandratana vavaka tamin'ireo andriamanitra izay ninoany fa any an-danitra.

Efa hita any aloha io fanambaran-dRahaba io, izay tsy ampiasaina raha tsy ilazana ny zon'Andriamanitra ho hany mendrika hiankohofana (Eks. 20:4; Deo. 4:39: Deo. 5:8). Ny teniny dia vavolombelon'ny safidy efa nodinihina tsara, izay nanekeny fa ny Andriamanitry ny Isiraelita no hany Andriamanitra marina. Maneho izany fa takany tsara ny fifandraisana akaiky misy eo amin'ny fiandrianan'Andriamanitra sy ny fitsarana efa miandry an'i Jeriko.

Teo anatrehan'ny fitsaran'i Jehôvah, dia takany fa safidy roa ihany no nisy: na manohy mikomy Aminy ka ho ringana, na misafidy ny hitolo-batana ho Azy amim-pinoana. Nanjary ohatra ny amin'izay mety ho niafaran'ny mponin'i Jeriko manontolo i Rahaba, tamin'ny nifidianany ny Andriamanitry ny Isiraelita. Raha mba nitodika tamin'ny Andriamanitry ny Isiraely mantsy izy ireo mba hahazo famindrampo!

Inona no ampianarin'ity tantara ity antsika momba ny tokony hanolorantsika tena tanteraka ho an'Andriamanitra?

Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.

Daty
Talata 07 October 2025

FANOLORANTENA VAOVAO

Vakio ny Jos. 2:12-21 sy ny Eks. 12:13,22,23. Ahoana no anampian’ireo andininy ao amin'ny Eksodosy anao hahatakatra ny fifanarahana teo amin'ireo mpisafo tany sy i Rahaba?

Mazava tsara ny fifanarahana nataon'i Rahaba : aina solon'ny aina ary hatsaram-panahy solon'ny hatsaram-panahy. Ny teny hoe "chesed" (Jos. 2:12), nadika hoe "namindrako fo", dia manana hevitra lalina izay sarotra adika amin'ny voambolana tokana amin'ny teny hafa. Ny tsy fivadihana amin'ny fanekena no tondroiny voalohany indrindra, kanefa mivoy hevitra milaza fahatokiana, famindrampo, fahalalahan-tanana, ary fahalemem-panahy koa izany.

Mampahatsiahy ny voalazan'ny Deo. 7:12 koa ny tenin'i Rahaba, izay nianianan'i Jehôvah hitana ny "chesed" ny amin'ny Isiraely. "Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo hianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin'i Jehôvah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindrampo, izay nianianany tamin'ny razanao" - Deo. 7:12.

Mahaliana fa io toko io ihany (Deo. 7) no mandidy ny fandringanana (cherem) ny Kananita. Indro i Rahaba, Kananita izy, kanefa noho ny finoana vaovao teraka tao am-pony, dia nitaky ireo teny fikasana nomena ny Isiraelita izy. Voavonjy izy vokatr'izany.

Ny sary voalohany tonga ao an-tsaina avy hatrany rehefa mandinika ny resaka nifanaovan'ireo mpisafo tany tamin'i Rahaba dia ny Paska ao amin'ny Eksodosy. Tamin'izany fotoana izany, mba ho voaro ny Isiraelita, dia tsy maintsy nijanona tao an-tranony izy ireo, namono zanak'ondry, ary nanentina ny ràn'izany teo amin'ny tolana sy ny tataom-baravarany.

"Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho." - Eks. 12:13 (jereo koa ny Eks. 12:22,23)

"Amin'ny alalan'ny fankatoavana no anehoan'ny vahoaka hebreo ny finoana ananany. Toy izany koa izay rehetra nanantena hovonjena amin'ny alalan'ny ran'i Jesôsy , dia tokony tsy hanadino fa manan-javatra atao izy mba hahatomombana ny famonjeny. Tahaka ny maha-marina fa Jesôsy Kristy irery no mahafaka antsika amin'ny fanamelohan'ny ota vitantsika, dia toy izany indrindra no tokony hialantsika amin'ny ota ho amin'ny fankatoavana. Raha tahiny marina fa vonjena amin'ny finoana ny olona fa tsy amin'ny asa, dia toy izany, amin'ny alalan'ny asa no anaporofoana ny finoana ananana."-PM, t. 263, ed. 2014.

Ny rà no famantarana izay namonjy azy ireo tamin'ny anjely mpandringana. Tahaka ny namonjen’Andriamanitra ny ain'ny Isiraelita nandritra ny loza farany tany Egypta, dia toy izany koa no tokony hamonjen'ny Isiraelita an-dRahaba sy ny ankohonany rehefa tonga tao Jeriko ny fandringanana.

Inona no vaovao mahafaly lehibe hitantsika ao amin'ireo tantara roa ireo? Inona no leso na ara-pilazantsara azontsika tsoahina avy amin'izy Ireo?

Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.

Daty
Alarobia 08 October 2025

SOATOAVINA MIFANOHITRA

Vakio ny Jos. 9:1-20. Inona no mampitovy sy mahasamy hafa ny tantaran'i Rahaba sy ny an'ireo Gibeonita? Nahoana no manan-danja izany?

Manomboka amin'ny fampahafantarana antsika io toko ao amin'ny Josoa io fa ireo mpanjaka kananita izay efa zatra nanjaka tao amin'ireo tanana-fanjakana madinika dia nanapa-kevitra ny hitambatra hanohitra ny Isiraelita. Ny mponin'i Gibeona kosa nanapa-kevitra ny hanao fanekena amin'ny Isiraely.

Mba hamitahana ny Isiraelita ka hanaovany fanekena aminy, dia nampiasa tetika ny Gibeonita ka mody niseho ho iraka avy tany amin'ny firenen-kafa. Araka пу Deo. 20:10-18 mantsy dia nanisy fanavahana teo amin'ny Kananita sy ireo olona nonina tany ivelan'ny Tany Nampanantenaina Andriamanitra.

Ny teny nadika hoe "nanao hafetsena" dia azo ampiasaina amin'ny heviny tsara, manambara fahamalinana sy fahendrena (Ohab. 1:4; Ohab. 8:5,12), na amin'ny heviny ratsy, manambara fikasan-dratsy (Eks. 21:14; 1 Sam. 23:22: Sal. 83:3). Raha ny amin'ny Gibeonita dia fikasana hiaro tena no tena tao ambadiky ny fihetsiny feno fitaka, fa tsy fikasana hanao ratsy loatra

Manaitra ny fitovian'ny lahatenin'ireo Gibeonita amin'ny an'i Rahaba. Samy niaiky ny herin'ny Andriamanitry ny Isiraely izy ireo, ary samy niaiky fa tsy vitan'ny herin'olombelona fotsiny ny fahombiazan'ny Isiraely. Tsy tahaka ireo Kananita hafa izy ireo, satria tsy nanohitra ny fikasan'i Jehovah hanome ny tany ho an'ny Isiraelita, ary niaiky izy ireo fa ny Tompo mihitsy no nandroaka ireo firenena ireo teo anoloan'ny Isiraely. Ny fahafantarana ny vaovao momba ny fanafahana avy tany Egypta, sy ny fandresena an'i Sihona sy Oga, no nanosika an-dRahaba sy ny Gibeonita hanao izay ifanarahana tamin'ny Isiraelita. Saingy, tsy nanolo-tena tanteraka hanaraka ny Andriamanitry ny Isiraely toy ny nataon-dRahaba ny Gibeonita, fa nampiasa fitaka kosa.

Araka ny lalan'i Mosesy dia azo atao ny mahafantatrany sitrapon'Andriamanitra amin'ny toe-javatra tahaka izany (Nom. 27:16-21). Tokony ho nanontany ny sitrapon'i Jehovah i Josoa ka tsy ho nahazo azy ny famitahan'ireo Gibeonita.

Ny adidy fototra natao hiantsorohan'ny mpitarika notendren'Andriamanitra, sy ny mpitarika kristianina rehetra, dia ny mikatsaka ny sitrapon'Andriamanitra (1 Tant. 28:9; 2 Tant. 15:2; 2 Tant. 18:4; 2 Tant. 20:4). Noho ny fanaovana tsinontsinona izany dia voatery nisafidy ny Isiraelita, na handika ny fepetra fototra hahazoana ny tany na handika ny fianianana natao tamin'ny anaran'i Jehovah, izay samy nanan-kery.

Impiry ianao no efa tojo fahasahiranana manoloana ny soatoavina ara-Balboly anankiroa toa mifanohitra?

Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.

Daty
Alakamisy 09 October 2025

FAHASOAVANA TSY AMPOIZINA

Vakio ny Jos. 9:21-27. Sady misy fahamarinana no misy fahasoavana ny vahaolana nomen'i Josoa; amin'ny fomba ahoana?

Na dia naniry hamely ny Gibeonita aza ny vahoaka Isiraely, dia tsy navela hanao izany izy noho ny fianianana nataon'ireo lohan'ny fiangonana. Nifanaraka tamin'ny fitsipika mifandraika amin'ny fianianana na voady ny fihetsik'ireo mpitarika isiraelita, ka raha tsy avy amin'ny fitondran-tena ratsy na fikasan-dratsy no anaovana azy (Mpits. 11:29-40), dia tsy maintsy toavina izany, na dia mahatonga fahoriana amin'ilay olona manokana aza. Ao amin'ny TT dia noraisina ho fahendrena ananan'ny olo-masina ny fahamalinana sy ny fitandremana mialoha ny anaovana fianianana na voady, ary koa ny fanefana ny fianianana natao, (Sal. 15:4; Sal. 24:4; Mpitt. 5:1,5). Satria natao tamin'ny anaran'i Jehôvah , Andriamanitry ny Isiraely ilay fianianana dia tsy azon'ireo mpitarika novana izany.

Noho ilay fianianana masina nataon'ireo mpitarika ny Isiraely, dia nifamatotra tsy azo nosarahina tamin'ny an'ireo Gibeonita ny anjaran'ny Isiraely. Raha ny marina, tamin'ny nanendrena azy ireo ho mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an'ny tranon'Andriamanitra (Jos. 9:23), dia tonga anisan'ny fiarahamonin'ny Isiraely mpivavaka ny Gibeonita. Ny valintenin'i Josoa, izay samy hafa amin'ny an'ireo loholon'ny Isiraely izay nandidy ny fanandevozana azy ireo ho an'ny "fiangonana rehetra" (Jos. 9:21), dia nanova ny ozona ho fitahiana mety ho azon'ireo Gibeonita (ampitahao amin'ny 2 Sam. 6:11).

Hita teo amin'ny tantaran'i Gibeona taorian'izany fa nisitraka ireo tombontsoa lehibe ara-pivavahana ilay tanana, ary tsy nivadika tamin'ny vahoakan'Andriamanitra. Nitoetra teo amin'ny taranaka nifandimby ilay voady nataon'ny Isiraely, hany ka rehefa niverina avy tany amin'ny fahababoana tany Babylona ny Isiraelita, dia anisan'ireo nanampy tamin'ny fanorenana an'i Jerosalema indray ny Gibeonita (Neh. 7:25). Hitera-boka-tsoa mandrakizay ny nataon'izy ireo, kanefa noho ny fahasoavan'Andriamanitra irery ihany izany.

Inona no mety ho nitranga raha tsy nanafina ny momba azy ny Gibeonita ka nangataka famindram-po tahaka an-dRahaba? Tsy fantatsika, saingy inoantsika fa raha nanontaniana fotsiny ny sitrapon'Andriamanitra dia mety ho nahafaka ny Gibeonita tamin'ny fandringanana izany. Tsy ny hanasazy ny mpanota no tena fikasan Andriamanitra fa ny hahita azy ireo mibebaka sy ny haneho ny famindrampony amin'izy ireo (ampitahao amin'ny Ezek. 18:23 sy ny Ezek. 33:11). Ny tetika nataon'ny Gibeonita dia tokony horaisina toy ny fiantsoana ny famindrampon'Andriamanitra, fianteherana amin'ny toetrany feno hatsaram-panahy sy fahamarinana. Ny fandavan'ireo Kananita tsy hibebaka sy ny fanoherany ny fikasan'Andriamanitra no nahatonga ny fanapahan-kevitra ny amin'ny fandringanana azy ireo (Gen. 15:16). Nankasitrahan'Andriamanitra ny faneken ireo Gibeonita ny fiandrianan'Andriamanitra, ary koa ny faniriany fihavanana fa tsy fikomiana, ary ny fahavononany hiala amin'ny fanompoan-tsampy sy hivavaka amin'ilay hany Andriamanitra marina.

Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 10 October 2025

FIANARANA FANAMPINY : 

Vakio "Ny nitana an’i Jordana", PM, tt. 480-485, ed.2014.

Taorian'ny tantaran'i Rahaba sy ireo mpisafo tany, dia tsy niresaka momba azy intsony ny TT fa any amin'ny filazana ny razani Jesôsy Kristy vao mipoitra indray ny anarany. Voalaza fa tonga vadin'i Salmona izy, avy amin'ny fokon' Joda, razamben'i Boaza, ary rafozam-bavin'i Rota, vehivavy miavaka iray hafa voalaza ao amin'io tetiarana io ihany (Mat. 1:5; ampitahao amin'ny Rota 4:13,21). Noho ny finoany an Andriamanitra, ilay vehivavy janga tao Jeriko, ilay tokony ho naringana tanteraka, dia nanjary rohy manan-danja teo amin'ny tarana-mpanjaka avy amin'i Davida sy razamben'ny Mesia. Toy izany no azon Andriamanitra tanterahina amin'ny alalan'ny finoana, na dia mety ho kely toy ny voan-tsinapy aza izany (Mat. 17:20; Lio. 17:6).

"Ary tsy asa naningana tamin'ny famindrampon Andriamanitra ananan'ny Mpamonjy akory ny fiovam-pony (fiovam-pon'i Rahaba). Fa ny firenena nanompo sampy iray izay nonina teo amin'ny tany, dia ireo Gibeonita dia nahafoy ny sampiny ary nikambaria tamin'ny Isiraely ka anisan'ny nandray tombontsoa avy tamin'ny fanekena.

"Tsy manao fanavakavahan-tsaranga na firazanana, na firenena na dia indray mandeha aza Andriamanitra. Izy no Mpahary ny olona rehetra. Fianakaviana iray ihany izy rehetra teo amin'ny famoronana sy teo amin'ny fanavotana. Tonga handrava ny rindrin'ny fisarahana Kristy, ary hamoha ny kianjan'ny tempoly ho an'ny isam-batan'olona mba samy hahita fidirana malalaka hanatonana an'Andriamanitra ny fanahy rehetra. Lehibe sy lalina ary feno tokoa ny fitiavan'Andriamanitra ka tafatsofoka any amin'ny toerana rehetra. Manatsoaka avy amin'ny herin'i Satana izay rehetra voafitaky ny laingany Izy, ka mametraka azy ireo ho eo akaikin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. dia ilay seza fiandrianana voahodidin'ny fahazavana avy amin'ny avan'ny teny fikasana. Fa "tsy misy Jiosy, na Grika, na andevo, na tsy andevo ao amin'i Kristy." - MM, t. 307.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ifanakalozy hevitra ny amin'ilay hoe "famindrampo indray" (tsy indray mandeha fa imbetsaka), sy ny fomba tokony hanehoantsika izany koa amin'ny hafa. Kanefa koa, ahoana no hitandremantsika mba tsy hanararaotra io foto-kevitra io? Saino, ohatra, ny amin'ny vehivavy iray iharan'ny herisetra, izay toroana hevitra handefitra hatrany ("fahasoavana"), kanefa amin'ny tranga sasany dia manome vahana ilay herisetra fotsiny izany. Ahoana по ahaizantsika mandanjalanja tsara ny amin'izany?

2. Ifanakalozy hevitra ny momba an-dRahaba amin'ny maha-ohatry ny finoana azy. Ahoana no ahaizantsika manombana ny fahavononan'ny olona iray handray an'Andriamanitra na dia lavitry ny idealy ara-Baiboly aza ny fomba fiainany? Ahoana no mety hankasitrahantsika ny finoan'izy ireo nefa tsy anekentsika kosa ny fanaony sasany?

3. Hain'i Josoa ny nanambatra ny fahamarinana sy ny fahasoavana tamin'ny fomba azo ampiharina mba hamahana ny olana nateraky ny famitahan'ny Gibeonita, sy noho ny tsy fitandreman'ny tenany manokana tamin'ny tsy nanontaniany an'i Jehôvah . Saino ny amin'ny toe-javatra iray teo amin'ny fiainanao izay nitaky fahamarinana sy fahasoavana. Inona avy ireo fomba azo ampiharina mba hampiraisana ireo roa ireo?

Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 11 October 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jos. 3; Nom. 14:44; Lio. 18:18-27; Jos. 4; Jao. 14:26; Heb. 4:8-11.

Tsianjery:

"Fa nataon'i Jehôvah Andriamanitrareo maina ny falehan'ny rano Jordana teo anoloanareo mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon'i Jehôvah Andriamanitrareo tamin'ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa mahe ry ny tànan'i Jehôvah , ary mba hatahorany an'i Jehôvah Andriamanitrareo mandrakizay." - Jos. 4:23,24

Nasain'ilay mpitandro filaminana nijanona i John. Nangatahiny ny fahazoan-dalany mitondra fiarakodia. Tamin'izay indrindra vao tsaroan'i John fa hadinony tao amin'ny biraony ny poketrany izay misy ilay fahazoan-dalana mitondra fiarakodia. Nohazavainy ny zava-nitranga, ary nanontany ny asany ilay mpitandro filaminana. Namaly izy ary nilaza fa mpampianatra. Rehefa nanolotra ny taratasy kely milaza ny fandikan-dalana nataon'i John ilay mpitandro filaminana, dia nilaza taminy mba tsy hihevitra izany ho toy ny lamandy.

"Saram-pianarana ity" hoy izy. "Rehefa te hianatra zavatra iray ny olona, dia mandoa saram-pianarana. Ity no saram-pianarana mba hianaranao tsy hanadino ny fahazoan-dalana mitondra fiarakodia rehefa mamily fiara. Mirary soa ho an'ny tontolo andro, ry ingahy mpampianatra!"

Amin'ny maha-olombelona antsika, dia mety manadino ny zavatra izay tsy eo anoloantsika amin'ny fotoana rehetra isika. Hadinontsika ny mamerina miantso olona an-telefaonina, ny mamaly mailaka, ny manondraka ny voninkazo, ny mandefa karatra firarian-tsoa ho an'ny tsingerin-taona, sns. Ny fanadinoana ny zavatra ilaintsika ara-panahy kosa, dia misy vokany mampidi-doza kokoa noho ny fahazoana lamandy, indrindra noho izany misy fiantraikany amin'ny anjarantsika mandrakizay ara-bakiteny.

Andeha hianarantsika ny momba ny niampitan'ny Hebreo teo amin'ny ony Jordana; ho hitantsika amin'izany ny lesona azo tsoahina avy amin'ny fanandraman'izy ireo.

*Famerenana ny lesona ny sabata 18 Oktobra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal