Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miomana ho any an-danitra ve ianao?

Daty
Alahady 13 October 2024

"Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin 'Andriamanitra ho an 'izay tia Azy." 1 Kôr. 2:9. 

Mofon’aina:
Misy asa lehibe miandry antsika. Mila finoana lehibe kokoa an'i Kristy sy ny Ray isika satria tsy maintsy ananantsika io, raha tsy izany dia hatao ho isan'ny tsy mpino isika. Be ny fotoana fanararaotra, ary be tokoa ny asa hotanterahina. Mila ny fanamasinan'ny Fanahy Masina isika. (...) Ny fanamasinana avy amin'ny fahamarinana, izay hampiorina mafy ny olona amin'ny finoana, dia hahatonga ny olona ho mpiara-miasa amin'Andriamanitra.

Manjary iray amin'i Kristy izy ireo, rehefa miray amin'Ilay Loharanon'ny hery rehetra eo am-pitozoany amin'ny fanatanterahana ny adidy, eo am-panitarany ny fahalalany ny fitiavan'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy, mandra-pahatanteraka azy ireo miaraka amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra.

Tsy hay lazaina ny voninahitra miandry ireo mpandresy mahatoky. (...) Hisandrahaka tahaka ny sedera izy ireo, ary azo antoka fa hitombo ny fahalalany. Ary isaky ny dingana iray handrosoany amin'ny fahalalana dia ho hitany fa lavitra tanteraka amin'izay nantenainy ny zava-misy marina.
"Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an 'izay tia Azy. " - 1 Kôr. 2:9. Ny asantsika ankehitriny dia ny miomana ho amin'ireo fitoerana izay amboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy ka mitandrina ny didiny (...). Hohalalahin'ny Tompo Jesôsy ny saina sy ny fo tsirairay mba handraisany ny Fanahy Masina. (...) 

Inona ny fiomanana efa ataonao hiatrehana ny hoavy? (...) Zavatra lehibe sy tsara lavitra noho izay ataonao ankehitriny no ilainao. Amin'ny fanaovanao ny tsara dia misy hery miasa mangina avy aminao, na fantatr'olona izany na tsia. Amin'ny maha-olony anao, dia mendrika ny tsara kokoa avy aminao Andriamanitra, mihoatra noho izay efa nomenao Azy. Saino tsara izao: eo ambany fanevan'ny Mpanjaka Imanoela ve ianao sa eo ambany faneva maintin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao? Manana adidy ianao hampiasa ny fahefana sy hamerina ny vola nampindramin'ny Tompo anao, ho fampandrosoana ny asany sy hanomezam-boninahitra ny anarany. — UL, t. 151.

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal