Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ekena ao amin'i Kristy ny mpanota mibebaka

Daty
Alarobia 06 November 2024

"Fa Kristy tsy mba niditra tao amin 'izay fitoerana masina nataon-tànana, izay tandindon 'ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan 'Andriamanitra ankehitriny ho antsika." - Heb. 9:24

Mofon'aina: 
I Kristy no fanatitra ho antsika, Solontsika, Antoka ho antsika ary Mpanelanelana ho antsika any an-danitra; natao ho fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika Izy. (...) Ny fanelanelanana ataon'i Kristy ho antsika dia fanehoana ireo fahamendrehany amin'ny maha-Andriamanitra Azy (...); Fa efa niakatra ho any an-danitra Izy mba hanao asa fanavotana noho ny fandikantsika lalàna. (...) "Koa amin'izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an 'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy. " - Heb. 7:25. (...) Tsy sitrapon'Andriamanitra ny hisalasalanao sy hampahorinao ny fanahinao amin'ny tahotra fandrao tsy handray anao Andriamanitra noho ny maha-mpanota sy tsy mendrika anao. (...) Ento eo anatrehany ny raharahanao ka takio amin'izany ny fahamendrehan'ilay ra izay nalatsaka ho anao teo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary. Hiampanga anao ho mpanota raindahiny i Satana, ary tsy maintsy hiaiky izany ianao, kanefa azonao atao ny milaza hoe: "Fantatro tokoa fa mpanota aho, ary izany indrindra no ilako Mpamonjy. Tonga teto amin'ity tany ity i Jesôsy mba hamonjy ny mpanota. (...) Tsy manana fahatsarana na fahamendrehana hahafahako mitaky ny famonjena aho, kanefa entiko eo anatrehan'Andriamanitra ilay ra mahavotra an'Ilay Zanak' ondrin ' Andriamanitra ( ) izay mahaisotra ny fahotan'izao tontolo izao. Izany no hany fiarovan-tenako. (...)" Ny fahamarinan'i Kristy no mahatonga ny mpanota mibebaka ho azo ekena eo anatrehan'Andriamanitra, ary koa miasa ho fanamarinana azy. Na feno fahotana toy ny ahoana aza ny fiainany, raha mino an'i Jesôsy ho Mpamonjy ny tenany manokana Izy, dia mijoro eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fitafiana tsy misy pentin'ny fahamarinana izay atafin'i Kristy azy. (...) Amin'ny finoana no ahitany fa i Jesôsy no Mpamonjy azy, (...) ary mahavonjy tokoa "izay manatona an 'Andriamanitra amin'ny alalany." Mahita ny sakany sy ny lavany, ny haavony sy ny halalin'ny fahombiazana ny mpino ao amin'ny fanavotana atao ho azy (...); novidina tamin'ny sanda tsy misy fetra izy, ary fisaorana sy fiderana no mameno ny fanahiny. RC, t. 75. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal