Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahery sa osa ara-panahy?

Daty
Alarobia 06 November 2024

 «Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.» - 2 Kôr. 7:1.

Mofon’aina:

Mananatra sy manitsy ireo olona izay milaza fa mitandrina ny lalàny Andriarnanitra. Tondroiny ny fahotan'izy ireo ary ambarany ny faharatsiany satria iriny ny hanasaraka ny fahotana rehetra sy ny faharatsian-toetra rehetra aminy mba hananan'izy ireo fahamasinana tonga lafatra amin'ny fahatahorana Azy ary ho vonona ny ho faty ao amin'ny Tompo na hafindra any an-danitra (...)

 Tsy hanaiky afa-tsy fahadiovana sy fahamasinana Andriamanitra; ny pentina, ny fikentronana, ny fahadisoana ao amin'ny toetra dia hampanalavitra azy ireo mandrakizay amin'ny lanitra miaraka amin'ny voninahiny sy ny hareny rehetra.

Ny ankabeazan'ireo milaza azy ho Kristianina dia tsy mahazo an-tsaina ny hery ara-panahy izay mety ho azon'izy ireo raha toa ka fatra-paniry izany izy ary maharitra mba hahazo ny fahalalana ny zava-panahy, toy ny fahazoany ny zavatra tsizarizary sy mety lo amin'ity fiainana ity. Ireo vahoaka betsaka izay milaza ny tenany ho Kristianina dia mianina amin'ny toe-panahy saozanina. (...) 

Fahafaha-manao maro no efa voaontana ho an' izay rehetra mirotsaka amim-pahatsoram-po sy amim-pahamatorana eo amin'ny asa fanaovana ny fahamasinana ho tonga lafatra ao amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra. (...) Tsy misy olona ambany loatra, feno fitaka ary ratsy ka tsy hahita ao amin'i Jesôsy, izay maty ho azy ireo, hery sy fahadiovana ary fahamarinana. Ho azon'izy ireo izany raha miala amin'ny fahotany sy ny lalan-dratsiny izy ireo, ary mitodika amin'ny fo manontolo any amin'Ilay Andriamanitra velona. Miandry ny hanesorana amin'izy ireo ny fitafiany maloto sy feno fahotana Izy, ka hanafy azy ireo ny akanjo fotsy sy mamiratra avy amin'ny fahamarinana; manolotra fiainana azy ireo Izy fa tsy fahafatesana. Afaka mivelatra ao Aminy izy ireo. Tsy halazo ny rantsany ary hamoa. Afaka manovo rano sy sakafo avy Aminy izy ireo raha mitoetra ao Aminy, ho feno ny Fanahiny, mandeha toy izay nandehanany, mandresy toy izay nandreseny, ary homem-boninahitra eo an-tanany ankavanany. — Ma, t. 53

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal