Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanampiana avy any amin'ny Fitoerana Masina

Daty
Alakamisy 25 January 2024

Vakio ny Sal. 3:4; Sal. 14:7; Sal. 20:1-3; Sal. 27:5; Sal. 36:8; Sal. 61:4; sy ny Sal. 68:5,35. Araka ireo lahatsoratra ireo, avy aiza ny famonjena?

Ao anatin'ny tontolon-kevitry ny fitoerana masina no tena ahitana fiarovana ara-nofo sy ara-panahy. Toerana ahitana fanampiana, fiarovana, ary famonjena ny fitoerana masina. Manome fialofana ho an'ny ory ny fitoerana masina. Avy ao amin'ny fitoerany masina no iarovan'Andriamanitra ny kamboty sy ny mpitondratena, ary anomezany hery ho an'ny vahoakany. Rehefa mamirapiratra avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, Andriamanitra (Sal. 50:2), dia ankalazaina ny fitsarana marina ataony ary mirotsaka ny fitahian'Andriamanitra (Sal. 84:4; Sal. 128:5; Sal. 134:3).

Mihoatra lavitra noho ny fiarovana hita any an-toeran-kafa eto an-tany ny fiarovana omen'ny fitoerana masina satria Andriamanitra mihitsy no mitoetra ao. Ny fanatrehan'Andriamanitra no mitondra fiarovana fa tsy ilay tempoly sy rafi- trano tsy akory. Toy izany koa, na dia tendrombohitra tsy dia manao ahoana loatra aza i Ziona dia nihoatra noho ny tendrombohitra hafa rehetra izy satria ny Tompo no nonina tao (Sal. 68:15, 16; Isa. 2:2).

"Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory."- Heb. 4:15,16. Mifanindran-dalana amin'izay lazain'ny mpanao Salamo momba ny fitoerana masina ireo andininy ireo; amin'ny fomba ahaoana?

Ny fahamasinan'ny fitoerana masin'Andriamanitra no mampiaiky ny mpanao Salamo fa mpanota avokoa ny olona rehetra ary tena tsy mendrika nyfankasitrahan'Andriamanitra; ambarany koa fa mifototra amin'ny fahatokian'Andriamanitra sy ny fahasoavany irery ihany ny fanavotana (Sal. 143:2, 9-12). Tsy misy na inona na inona ao amintsika ka maha- mendrika antsika eo anatrehan'Andriamanitra. Tsy afaka mahazo antoka ny amin'ny fanavotan'Andriamanitra ny olona raha tsy manana fifandraisana amin'Andriamanitra amim-pahamarinana, amin'ny alalan'ny fibebahana sy ny fanekena ny fahasoavan'Andriamanitra ary koa ny famelany heloka. Maneho ny famonjena izay ao amin'i Jesôsy ny fanompoana atao ao amin'ny fitoerana masina.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal