Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mankatò tanteraka toa an'i Kristy 

Daty
Sabotsy 08 February 2025

"Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan 'ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray. " - Rôm. 5:19.

Mofon’aina:
Very hasina ny saha Edena noho ny tsy fankatoavan'i Adama; saingy tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan'ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray.

Nahazo tombontsoa izao tontolo izao noho ny fanatrehan'ny Olona iray izay nankatà tanteraka — dia olona izay tsy vitan'ny nino sy nampianatra ny fanambaran'ny lalàn'Andriamanitra fotsiny, fa niaina araka izany lalàna izany koa. Fanehoana ireo foto-keviny masina ny fiainany manontolo. Hita mazava tamin'ny fahoriana lehibe niaretany tao amin'ny saha Getsemane ny fankatoavany; ary tamin'ny alalan'ny fijaliany no nizarany famelan-keloka ho an' ireo tsy mpankatò.

Hoy i Kristy raha nilaza tamin'ny mpianany ireo fepetra ahazoana famonjena: "Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. " Lalana diavin'izay rehetra maniry hanaraka an'i Jesôsy ny fandavan-tena sy ny hazo fijaliana. Hisy hanakantsakana isaky ny indray mandingana ny fandrosoantsika ho any an-danitra; hampiasa fomba maro isan-karazany mantsy i Satana hamerezana sy hamitahana antsika, ary asehony amintsika amin'ny endriny toa tsara ny fahotana.

Manasa anao aho (...) handinika tsara ny fandavan-tena sy ny nanaovan'i Kristy sorona ny Tenany ho anao mba hahazoanao misitraka, raha tianao, ilay fifaliana sy fiadanana izay Izy irery ihany no afaka manome anao izany eto an-tany, ary koa ilay fiainam-pahasambarana mandrakizay. Tsy ho tianao ve ny ho tonga misiôneran'i Kristy? Tsy ho vonona handà tena ho Azy ve ianao? Tsy hisaina ny amin' izay tokony hataonao ho Azy ve ianao, dia Izy izay namonjy anao ka nanavotra ny fanahinao tsy handevozin'ny fahotana sy i Satana? Hoy i Kristy fony izy teto an-tany: "Izaho dia eo aminareo toy izay manompo. " — Lio. 22:27d. Tsy mba niady hahazo ny toerana ambony Izy, fa nalemy fanahy sady tsy niavona am-po. Manasa anao hianatra Aminy Izy, hitondra ny ziogany — dia ny ziogan'ny fankatoavana ny fitsipik'i Jehôvah rehetra. — YI, 1 Avrily 1897. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal