Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahasambarana, arovan'ny lalàn'Andriamanitra

Daty
Talata 11 February 2025

  "Fa izay tsy hain'ny lalàna, satria nofo ny nahalemy azy, dia vitan'Andriamanitra tamin'Izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin'ny nofo." - Rôm. 8:3.

Mofon’aina:
Tsy maintsy arovana amin'ny alalan'ny , lalàn'Andriamanitra ny fahasambaran'ny olom-belona. Ny fankatoavana ihany no mety hahitan'izy ireo ny fahasambarana marina. Ny lalàna no fefy napetrak'Andriamanitra manodidina ny tanim-boaloboka. Voaro amin'ny ratsy izay mankatà azy. Nanaraka ny lalàn'ny tenany i Adama rehefa nandika lalàna. Tonga andevo izy rehefa tsy nankatô. Toy izany no nidiran'ny singa mpanakorontana tao anatin'ny olombelona, avy amin'ny fitiavan-tena. (...)

I Kristy no maneho ny tena fenitra marina. Mety ho tafaray indray amin' Andriamanitra ny olombelona noho i Kristy. Tonga Izy mba hiharan'ny fanamelohana ho faty tokony ho an'ny mpandika lalàna. Tsy misy fitsipiky ny lalàna azo ovana na dia iray aza mba hanomezana fahafaham-po ny olona, na lahy na vavy, ao anatin'ny fahalavoany; izany no nahatonga an' i Kristy nanolotra ny ainy ho azy ireo, mba hiharan'ny sazin'ny tsy fankatoavana eo amin'ny toeran'izy ireo. Izay ihany no fomba azo namonjena ny olombelona, sy hany fomba nahazoana nanaporofo fa azon'izy ireo atao ny mitandrina ny lalàna. Tonga teto an-tany i Kristy ary nijoro teo amin'ny toeran'i Adama, ka nandresy teo amin'izay tsy nahombiazany. Natao ho fahendrena, fahamarinana, fahamasinana, ary fanavotana ho antsika Izy. (...)

 Talohan'ny nanorenana izao tontolo izao no efa nanome toky i Kristy fa hanolotra ny ainy ho avotraraha sanatria hivadi-pitokisana amin'Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy. Naneho ny fitiavany Izy tamin'ny nampietreny ny tenany ka nidinany avy any an-danitra mba hiasa etS, anivontsika olombelona lavo (...). Tsy afaka niatrika ny fahavalo tamin'ny herin'ny tenany izy ireo. Natolotr'i Kristy ho an' ireo izay mibebaka sy mitandrina ny lalàn'Andriamanitra ny Tenany sy izay rehetra nananany, ny voninahiny sy ny toetrany. Izany no hany fanantenana ho azy ireo. Nilaza mazava i Kristy fa tsy tonga handrava ny lalàna. "Io no fanehoana ny toetran'Andriamanitra, ary tonga Aho hanatanteraka izay rehetra voasoratra ao. Tonga Aho hanamarina izany eo amin'ny fiainako maha-olombelona Ahy, hanome ohatry ny fankatoavana tanteraka." — ST, 13 Jona 1900. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal