Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fankatoavana mitondra fiadanana sy fahasambarana

Daty
Zoma 14 February 2025

 "Ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana." - Fil. 2:8.

Mofon’aina:
Tombontsoa lehibe omena antsika ity: azontsika atao ny ho tonga tahaka an'i Kristy — ny mankatô ireo fitsipika rehetra ao amin'ny lalàn'Andriamanitra. Kanefa tsy vitantsika velively amin'ny herin'ny tenantsika izany. Avy amin'i Kristy avokoa ny zava-tsoa rehetra ao amin'ny olombelona. Vokatry ny fahasoavan'Andriamanitra miasa ho antsika, rehefa milefitra eo ambany fitarihana sy ny fifehezan'ny Fanahin'ny fahamarinana isika, ny fahamasinana izay takin'ny tenin'Andriamanitra fa tsy maintsy ananantsika mba ho voavonjy isika.

Tsy mety ho tonga lafatra ny fankatoavan'ny olombelona raha tsy amin'ny alalan'ny hanitry ny fahamarinan'i Kristy, izay manome hanitra masina ny asam-pankatoavana marina rehetra. Ny anjaran'ny Kristianina dia ny maharitra amin'ny ady atao ho fialana amin'ny fahadisoana rehetra. Mila mivavaka tsy mitsahatra izy mba hanasitranan'ny Mpamonjy ny aretim-panahiny. Tsy ananan'izy ireo, izay olombelona mety maty, ny fahendrena sy ny hery hoenti-mandresy. An'ny Tompo izany, ary omeny ireo izay mangataka ny fanampiany amin'ny fo torotoro sy manetry tena. (...)

Maro amin' ireo izay efa nahafantatra sy tia ny Mpamonjy no latsaka ao amin'ny haizina ankehitriny, ary maniasia lavitra Azy. Izao no antony: natoky tena sy nihevitra ho mahavita tena izy ireo, ary nanaraka ny fironana tao anatiny. (...)

Ho fanamelohana ho an'izay rehetra mandà ny fanomezan'ny lanitra ireo porofo maro be avy amin' Andriamanitra maneho ny faniriany hamonjy ny olona rehetra. Amin'ilay andro lehibe faiany, rehefa hovaliana soa na hofaizina ny tsirairay, araka ny fankatoavany na ny tsy fankatoavany, dia hiseho mazava ny hazo fijalian'i Kalvary, eo anatrehan'ireo izay mitsangana eo anoloan'Ilay Mpitsara ny tany rehetra mba handray ny anjarany mandrakizay. Hosokafana ny sain'izy ireo mba hisy ho takany ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona lavo. Ho hitan'izy ireo mazava ny fanalam-baraka an'Andriamanitra nataon'ireo izay nanohy nandika lalàna, niandany tamin'i Satana, sy nanao tsinontsinona ny lalàn'i Jehôvah. Hitany fa ho nitondra fiainana, fahasalamana, fanambinana, ary zava-tsoa mandrakizay ho azy ny fankatoavany io lalàna io. — RH, 15 Marsa 1906. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal