Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Omeny hery hankatoavana

Daty
Alahady 16 February 2025

 "Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory." — Heb. 4:15,16.

Mofon’aina:
Asehon'i Satana ho lalàm-pitiavan-tena ny lalàm-pitiavan’Andriamanitra. Lazainy fa tsy mety ho vitantsika ny mankatò ny fitsipik'izany lalàna izany. Ny fahalavoan'ireo razambentsika voalohany, sy ny fahoriana rehetra vokatr' izany, dia iampangany ny Mpahary, ka tarihiny ny olony hijery an'Andriamanitra ho Ilay niavian'ny fahotana sy ny fijaliana ary ny fahafatesana. Hanala sarona io fitaka io i Jesôsy. Amin'ny maha-anisantsika Azy dia hanome ohatry ny fankatoavana Izy. Noho izany dia noraisiny ny nofontsika ka nandalo tamin'ny fanandramantsika rehetra izy, «koa amin'izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy (...)» - Heb. 2:17. Raha misy, na inona na inona tokony hozakaintsika izay tsy niaretan'i Jesôsy, dia izany zavatra izany no anehoan'i Satana fa tsy ampy ho antsika ny herin'Andriamanitra. Noho izany dia «(...) nalaim-panahy tamin 'ny zavatra rehetra (...) — Heb. 4:15» i Jesôsy. Niaritra ny fitsapana rehetra mety hihatra amintsika Izy. Ary tsy nisy hery nampiasainy ho an'ny tenany izay tsy atolony malalaka ho antsika. (...) Hoy Izy: «Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalànao no ato anatiko» - Sal. 40:8. (...) Vavolombelona ny fiainany fa azontsika atao koa ny mankatò ny lalàn'Andriamanitra.

Tamin'ny alalan'ny maha-olombelona Azy dia nandray ny taranak'olombelona i Kristy; amin'ny alalan'ny maha-Andriamanitra Azy, dia mamikitra ny seza fiandrianan'Andriamanitra Izy. Amin'ny maha-Zanak'olona Azy, dia nanome oha-pankatoavana antsika Izy, amin'ny maha-Zanak'Andriamanitra Azy, dia manome antsika hery hoenti-mankatò Azy Izy. (...)

Izay mendrika antsika no natao tamin'i Kristy, mba ho azo atao amintsika kosa izay mendrika Azy. Nomelohina noho ny fahotantsika izay tsy nananany anjara akory Izy, mba hahazoantsika fahamarinana amin'ny alalan'ny fahamarinany izay tsy nananantsika anjara akory. Niaritra ny fahafatesana izay anjarantsika Izy, mba hahazoantsika mandray ny fiainana izay Azy. «(...) Ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika». — IFM, U. 11,12, ed. 2023. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal