Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lalàna manan-danja amin'ny fotoana rehetra

Daty
Talata 18 February 2025

"Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena marina ho Ahy hianareo. " - Eks. 19:5,6.

Mofon’aina:
Manambara ny fahatsaran'Andriamanitra io fanekena io (Eks. 19:1-6). Tsy nitady izany ny vahoaka. Tsy nanolotra ny tanany hifandray amin'Andriamanitra izy ireo, fa Andriamanitra no nanatsotra tamim-pitiavana ny sandriny tsitoha, nanasa azy ireo hisakambina Azy mba ho fiarovana azy ireo. An-tsitrapo no nifidianany vahoaka vao avy nandevozina tany Egipta mba ho lovany, vahoaka izay tsy maintsy nanarina sy nofanina isaky ny indray mandingana. Fanehoam-pitiavana sy fahatsarana lehibe avy amin'ny Tsitoha tokoa izany!

Navelan'ny Tompo handalo zava-tsarotra matetika izy ireo mba hanehoany aminy ny famindrampony sy ny hatsaram-panahiny amin'ny fanafahany azy. Raha mifidy ny tsy hino izy ireo izao, dia ny porofo hitan'ny masony ihany no isalasalany. Hitan'izy ireo ny porofo maha-Andriamanitra velona azy, "Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana" — Eks. 34:6. Teo anatrehan'ny mponin'ny lanitra manontolo no nanomezany voninahitra ny Isiraely. Notaominy ho eo Aminy izy ireo hanana fifandraisana sy firaisana Aminy ao anatin'ny fanekena.

Telo volana izao no nandaozan'ny zanak'Isiraely ny tany Egipta, ary nitoby teo anoloan'ny tendrombohitra Sinay izy ireo; teo no nanambaran'ny Tompo ny lalàny tamin'ny fomba miezinezina. Tsy niseho tao amin'irony trano mirentirenty nataon'ny tanan'olombelonairony Izy, na tamin'ny fitaovana narafitr' olombelona. Teo amin'ny tendrombohitra avo iray no nanehoany ny voninahiny, izay tempoly noforonin'ny Tenany. Nisandratra avo noho ny hafa rehetra ny tendrombohitra Sinay, teo anivon'ireo tendrombohitra mitomandavana teo afovoan'ny tany efitra. Io tendrombohitra io no toerana nofidin'Andriamanitra hanehoana ny Tenany amin'ny vahoakany.

Tao anatin'ny fahalehibiazana mahatahotra no nisehoany sy nitenenany tamin'ny feo avo teo anatrehan'izy ireo. Tsy mbola nisy fotoana nanehoany ny Tenany tamin'ny vahoakany tamin'ny fomba manetriketrika toy izany, izay maneho ny maha-zava-dehibe tokoa ny lalàna ho an'ny taona rehetra mifandimby. Irin'Andriamanitra manokana ny hitandremantsika ny didiny ankehitriny. — MR, b. 1, tt. 105,106. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal