Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahasambatra ny fankatoavana

Daty
Alakamisy 20 February 2025

 "Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy (...) Fa ny lalàn'i Jehôvah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina." - Sal. 1:1,2.

Mofon’aina:
Zava-dehibe indrindra ny hankatoavan'ny olona rehetra ao Amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny lalàn'i Jehôvah, mba hampiorenana tsara ny Voninahiny tsy manam-petra. Ireo mitonona ho mpanara-dia an'i Kristy dia zahan-toetra eto amin'ity fiainana ity mba hahitana raha toa izy hankatò’an'Andriamanitra na tsia. Mahasambatra ny fankatoavana, ary hiantoka ny valisoan'ny fiainana mandrakizay.

 Vokatra mahatsiravina no nateraky ny tsy fahombiazan'i Adama teo amin-javatra anankiray, ary nitombo ny fahotana ka nanjary tsy azo refesina izany habeny izany. Ao anatin'ny fikomiana sy ny fihemorana anefa, eo anivon'ireo tsy mahatoky sy tsy mety mibebaka ary mafy hatoka, dia mijery ireo izay tia Azy sy mitandrina ny didiny Andriamanitra, ary milaza hoe: " Tiako izay tia Ahy," ary hataoko mandova harena maro. (...)

 Nivelona araka ireo fitsipiky ny lalàna ara-môralin'Andriamanitra i Kristy, ary tanterany ireo zava-takin'ny lalàn'Andriamanitra rehetra. Nasehony teo amin'ny fiainany maha-olombelona Azy ny mahatsara ny lalàna. Tokony hambara amin'ny firenena rehetra (...), amin'ireo tontolo tsy lavo, amin'ireo anjely sy ny serafima ary ny kerôbima ny maha-masina sy marina ary tsara ny lalàna. Naseho teo amin'ny toetran'i Jesôsy Kristy ireo fitsipiky ny lalàn'Andriamanitra, ary izay miara-miasa amin'i Kristy ka tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra, dia hampiseho ny toetran'Andriamanitra (...). I Kristy ao am-po no hitondra ny momba izany olona izany manontolo (...) ho amin'ny fankatoavana ny fahamarinana. Hifanaraka amin'ny fisainan'Andriamanitra sy ny sitrapony ary ny toetrany ny tena mpanara-dia marina an'i Kristy. Amin'izany no hampisehoana amin'ny taranak'olombelona ny fitsipiky ny lalàna izay mahataka-davitra. (...)

Nambaran'i Satana fa tsy mahalala na inona na inona momba ny fandavan-tena sy ny famindrampo ary ny fitiavana Andriamanitra fa henjana sy masiaka ary tsy mba mamindra fo. Tsy mba nanandrana ny fitiavan'Andriamanitra izay mamela heloka i Satana noho izy tsy nanatanteraka fibebahana marina. Diso ny fanehoany ny toetran'Andriamanitra; vavolombelona mandainga izy, mpiampanga an' i Kristy ary mpiampanga ireo rehetra manaisotra ny ziogany ka miverina ho amin'ny fahatokiana amin' ilay Andriamanitry ny lanitra. - RH, 9 Marsa 1897. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal