Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fankatoavana mahatanteraka teny fikasana.

Daty
Alarobia 26 February 2025

 "Efa nampiteny an 'i Jehôvah hianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, ka handeha amin’ny làlany sy hitandrina ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny hianao ary hihaino ny feony." - Deo. 26:17.

Mofon’aina:
Aoka isika ho mahatoky sy marina amin'ireo fampianaran' ny lalàn' Andriamanitra. Ambaran'ny Tompo fa raha mankatò ireo fitsipiky ny lalàna isika, dia ho tonga fiainantsika ireny. (...)

Tsy vokatry ny fisainan'olombelona na koa noforonin'i Mosesy ireo fitsipiky ny lalàn'Andriamanitra. Ilay tsy manam-petra amin'ny fahendrena, eny, Ilay Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, no namolavola izany, ary Izy no nanonona izany teo Sinay tao anatin'ireo toe-javatra nampiseho fahalehibeazana mahatahotra. Niankina tamin'ny fankatoavana ireo fitsipika ireo ny fahombiazan'ny Isiraely.

"(...) koa tandremo sy araho amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo." - Deo. 26:16b. Ny didin'Andriamanitra dia tsy nomeny antsika mba hankatoavina amin'ny fotoana tiantsika hanaovana izany, ary hatao tsinontsinona araka izay mahafinaritra antsika. Lalàna mifehy ny fanjakany ireo ka natao hankatoavin'ny olony rehetra. Raha mankatô ny didiny amin'ny fony rehetra ny vahoakany, dia ho vavolombelona izao tontolo izao fa ireo izay mitonona ho vahoakany, izay hareny manokana, dia manome voninahitra Azy tokoa amin'izay rehetra ataon'izy ireo. Ny fahatokiana amin'Andriamanitra sy ny fankatoavana ny Lalàny tsy misy arakaraka no hahatonga ny vahoakany ho fitalanjonan'izao tontolo izao satria hahatanteraka ny teny fikasany feno fahalalahan-tanana amin'izy ireo Andriamanitra ka hahatonga azy ireo hoderain'ny firenena rehetra. Ho vahoaka masina ho Azy izy ireo.

"Koa ankehitriny" hoy i Jehôvah, "raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo." - Eks. 19:5,6. Endrey, mahatalanjona ny fahalehibeazan'ny teny fikasan'Andriamanitra! Ary omena an' izay rehetra mihaino ny Teniny izany, sy izay mino ny fanambarany ary mankatò ny baikony. Ny fankatoavana ny lalàny no fepetran'ny fahasambarana amin'ny hoavy sy mandrakizay. SW, 16 Febroary 1904. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal