Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fomba fanararaotana ny fotoana.

Daty
Alatsinainy 10 March 2025

"Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao." — Efes. 5:15,16.

Mofon’aina:
Tsy hita hotombanana ny vidin'ny fotoana. Heverin'i Kristy ho sarobidy ny fotoana rehetra, ary toy izany no tokony hiheverantsika azy. (...) Tsy manana afa-tsy fotoana kely isika hiomanana ho amin'ny mandrakizay. (...) Izao isika no tokony hamolavola toetra amam-panahy ho amin'ny fiainana ho avy, ho amin'ny fiainana tsy ho lalovam-pahafatesana. Izao no fotoana iomanantsika ho amin'ny fitsarana farany.

Raha zara vao manomboka ny fiainany ny fianakavian'ny olombelona dia manomboka ny ho faty, ary ny asa tsy an-kijanona eto amin'izao tontolo izao dia miafara amin'ny zava-poana raha tsy nahazoana fahalalana marina momba ny fiainana mandrakizay. Ny olona izay mahatsapa ny fotoana ho toy ny andro fiasany dia hanomana ny tenany ho amin'ny fitoerana sy ny fiainana tsy holalovam-pahafatesana. Zava-tsoa ny nahaterahany.

Anarina isika hanararaotra ny fotoana. (...) Tsy azontsika antsoina hiverina na dia ny fotoana kely iray aza. Ny hany lalana azontsika hanonerana ny fotoanantsika, dia ny fanaovana ny be indrindra amin'izay atao amin'ny sisa, ho mpiara-miasa amin'Andriamanitra eo amin'ny drafitry ny fanavotana lehibe.

Hahita fiovana eo amin'ny toetra amam-panahy ny olona izay manao izany. Manjary zanak'Andriamanitra izy, anisan'ny fianakavian'ny Mpanjaka, zanaky ny Mpanjakan'ny lanitra. Mendrika hiara-mitoetra amin'ny anjely izy.

(...) Misy ireo izay mihevitra fa raha manome vola ho an'ny asan'i Kristy izy, dia izay ihany no angatahina hataony; ny fotoana sarobidy izay ahazoany manao asa manokana ho Azy, dia lasa fotsiny tsy ampiasaina. Nefa tombon-tsoa sy adidy ho an'izay rehetra salama sy matanjaka ny manao fanompoana sy asa ho an'Andriamanitra. (...) Tsy afaka hisolo ny fanoloran-tena ny fanomezam-bola.

Ny fotoana mety eo anoloantsika mba hilazana amin'ny fanahy mahantra iray ny tenin'ny fiainana dia mety tsy hiverina fanindroany intsony. Mety hiteny amin'io olona io Andriamanitra hoe: "Anio alina no halaina aminao ny fanahinao" - Lio. 12:20 ary noho ny tsirambina nataontsika dia mety tsy ho vonona izy. Amin’ny fomba ahoana no hanadiovantsika tena eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny andro fitsarana lehibe? — HF, tt. 353,354.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal