Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ampamoahina ny amin'izay nomena azy avy

Daty
Talata 18 March 2025

"Izay rehetra azon'ny tànanao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao." -Mpitt. 9:10.

Mofon’aina: 
Tokony hodinihina amim-pitandremana fatratra sy amim-  bavaka ny fanoharana mikasika ny talenta satria misy fiantraikany manokana eo amin'ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny zaza izay nomena fahafahana misaina izany. Mifanentana amin'ireo talenta nomen'Andriamanitra anao ny adidy aman'andraikitrao. Tsy misy mpanara-dia an'i Kristy izay nomena fanomezana manokana ka tsy hampamoahin'Andriamanitra ny amin'izany.

 Maro ny olona miala tsiny noho ny tsy anolorany ny talentany hoenti-manompo an'i Kristy, satria tsy mba toy ny olona sasany izay manana tombontsoa betsaka sy talenta mamirapiratra izy. Ela nanjakana ny fiheverana fa izay manana talenta be ihany no ilaina hanolotra ny fahaizany hoenti-manompo an'Andriamanitra. Ataon'ny maro fa ny talenta dia omena ny antokon'olona voafidy ihany, fa ny sasany kosa avahana, satria tsy voantso hanana anjara amin'ny asa, na amin'ny valisoa.

Nefa tsy izany no aseho ao amin'ny fanoharana. Rehefa nantsoin'ny tompon-trano ny mpanompony dia samy nomeny ny anjara raharahany avy izy. Manana andraikitra hampiasa ny fananan'ny Tompony avokoa ny ankohonan'Andriamanitra manontolo. Ny olona rehetra, avy amin'ny ambany sy ny tso-piaina indrindra ka hatramin'ireo lehibe sy ambony indrindra, dia mpiasa nomena fahaiza-manao izay ampamoahana azy eo anatrehan'Andriamanitra. Notendrena hitantana ireo talentan'ny Tompony ny rehetra, amin'ny lafiny lehibe na kelikely kokoa. Ny fahaiza-manao ara-panahy sy ara-tsaina ary ara-batana, ny hery miasa mangina, ny toerana misy, ny fananana, ny fihetsehampo, ny firaisam-po ary ireo talenta sarobidy dia tokony hampiasaina ho an'ny asan'ny Tompo mba ho famonjena ireo fanahy nanoloran' i Kristy ny ainy. (...)

Takin'Andriamanitra ny hahatonga ny rehetra ho mpiasa ao amin'ny tanimboalobony. Aoka hotontosainao ny asa napetraka eo anoloanao, ary ataovy amim-pahatokiana izany. "Izay rehetra azon'ny tànanao atao dia ataovy amin 'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao." - Mpitt. 9:10. - RH, 1 Mey 1888.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal