Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ataovy amim-pahatokiana ny asanao

Daty
Alakamisy 20 March 2025

 "Koa samy hampamoahin 'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra. Koa aza mifampitsara intsony isika." - Rôm. 14:12,13a.

Mofon’aina:
Tsy misy toerana ho an'ny fireharehana ao amin'ireo   ezaka ataontsika, satria miankina mandrakariva amin'ny fahasoavan'Andriamanitra isika, ary izay rehetra ananantsika dia nomena antsika. Hoy i Jesôsy: "raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona." - Jao. 15:5. 

Ireo talenta izay nomen' Andriamanitra antsika ihany no andraikitsika. Tsy manome tsiny ireo mpanompo izay nampitombo ny talentany ho avo roa heny ny Tompo, dia ireo izay niasa araka ny fahaiza-manao ananany. Araka izany, ireo izay mampiseho toetra mahatoky dia mahazo sitraka sy valisoa, fa ireo izay mitomoe-poana ao amin'ny tanimboaloboka kosa, (...) na koa manao tsirambina ny asan'ny Tompo, dia mampiseho marimarina amin'ny alalan'ny asany ny tsy fahalianany amin'ny asa niantsoana azy. (...) Tsy nankasitrahany ary tsy nampiasainy araka ny tokony ho izy ny talenta nomena azy ho voninahitr'Andriamanitra sy ho famonjem-panahy. (...) 

Aoka tsy hisy halahelo satria tsy manana talenta betsaka hampiasaina ho an'ny Tompo. Raha maneho tsy fahafaliana na mitaraina ianao, dia very fotoana sarobidy sy mandanilany foana ny fotoana manan-danja fanararaotra. Isaory Andriamanitra noho ny fahaiza-manao anananao, ary mivavaha mba hahafahanao manatanteraka ireo andraikitra napetraka taminao. Raha maniry ny hanasoa ny hafa kokoa ianao, dia mandehana miasa ary katsaho izay irinao. (...) "Koa samy hampamoahin 'Andriamanitra ny amin 'ny tenany avy isika rehetra." -Rôm. 14:12. Aoka ny eritreritrao sy ny teninao tsy ho tahaka izao: "Endrey! Lehibe tokoa ny asa vitako! Efa nitana toerana tahaka izao sy izao aho!"

 Ataovy ny adidinao eo amin'izay misy anao. Ampiasao araka izay tsara indrindra azo atao ny fanomezana nankinina taminao any amin'ny toerana rehetra izay hahatonga ny asanao ho sarobidy indrindra eo imason'Andriamanitra. Aza miasa ho fikendrena fahamboniana. Aza mitsiriritra ny talentan'ny hafa satria tsy hampitombo ny fahafahanao manao asa tsara na lehibe izany. Ampiasao amin-kalemem-panahy sy amim-panetren-tena ary amin'ny finoana feno toky ny fanomezana natolotra anao, ary miandrasa ny andron'ny famaliana dia tsy hahita antony tokony halahelovana na hahamenatra ianao. - RH, 1 Mey 1888. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal