Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ireo tombontsoan'ny fianarana Baiboly.

Daty
Alarobia 02 April 2025

 "Fa raha misy efa afaka amin'ny fahalotoan'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an'i Jesôsy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr’izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany." - 2 Pet. 2:20.

Mofon’aina:
Nomena fahazavana lehibe ireo Mpanavao fivavahana, saingy maro tamin'izy ireo no nanjary diso hevitra noho ny fahazavana diso ny Soratra Masina. Namakivaky taonjato maro ireo fahadisoana ireo, saingy na efa antitra toy izany aza ireo, dia tsy manana ny "Izao no lazain 'i Jehôvah " manohana azy. Fa hoy Jehôvah : "ny nolazain'ny molotro tsy hovako." Noho ny famindrampon'ny Tompo lehibe, dia fahazavana lehibe lavitra aza no ataony mamirapiratra amin'izao andro farany izao. Nampitainy tamintsika ny hafany, izay manambara ny lalany sy mampiseho amintsika ny fahamarinana. Ao amin'i Kristy no misy ny loharanon'ny fahalalana rehetra. Ao Aminy no itoeran'ny fanantenantsika ny fiainana mandrakizay. Izy no Mpampianatra lehibe indrindra tsy mbola fahitan' izao tontolo izao hatrizay, ary raha maniry hampivelatra ny sain'ny ankizy sy ny tanora isika, handresy lahatra azy ireo araka izay azo atao mba ho tia ny Baiboly, dia aoka hampifantoka ny sainy amin'ny fahamarinana tsotra sy mazava (...). Ampirisiho izy ireo handalina ireo lohahevitra ireo, fa fahendrena sarobidy no ho vokatry ny ezaka ataony amin ' izany.

Ny fanehoan'Andriamanitra ny Tenany ao amin'i Jesôsy Kristy, dia manome lohahevitra lehibe hodinihina, ary raha ianarana, dia handranitra ny saina, hanandratra, ary hanatsara ny fahaiza-manao. Rehefa mianatra ireo lesona ireo ao amin'ny sekolin'i Kristy ny olombelona, ka manao izay anahafana an'i Kristy malemy fanahy sy tsy miavona am-po, dia handray ny lesona mahasoa indrindra — fa raha tsy hamasinina amin'ny alalan'ny fifandraisana velona amin'Andriamanitra ny saina dia tsy hanana ny fahaiza-manaony ambony indrindra. (...) Manjary tsinontsinona ny "izaho" rehefa mibanjina an'Andriamanitra sy i Jesôsy Kristy izay nirahiny. Tsy maintsy atao fototra iorenan'ny fianarana rehetra ny Baiboly. Aoka hianarantsika tsirairay ao amin' io bokin-desona nomen'Andriamanitra antsika io ny fepetran'ny famonjena ny fanahintsika; io mantsy no hany boky milaza amintsika izay tokony hatao mba hovonjena. Tsy izany ihany, fa azo anovozan-kery ho an'ny saina koa io boky io. - FCE, U. 450,451. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal