Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.

Daty
Alahady 13 September 2026

Vakio ny 2 Kor. 10:1-11. Heverin'ny olona ho fahalemena Indraindray ny fahamoram-panahin'i Paoly rehefa miresaka amin'ny Korintianina izy. Inona ny teny na fehezanteny ao amin'Ireo andalan-tSoratra Masina Ireo Izay maneho ny herim-pon'l Paoly amin'ny fiatrehana ireo olana mikasika ny mpampianatra sandoka tany Korinto?

Manomboka ny 2 Kor. 10 amin'ny firesahana momba ny tenany i Paoly: "Ary ny tenako izaho Paoly, dia mananatra anareo."- 2 Kor. 10:1. Izany no maneho fa nahavelona ahiahy azy ny fisian'ireo mpampianatra sandoka tafiditra tao amin'ny fiangonana. Mamerina ny teny fiampangan'ireo mpanohitra azy izy ao amin'ny 2 Kor. 10:1; nambaran'ireo fahavalony ireo mantsy fa lehilahy mahatahotra izy rehefa manoratra taratasy avy any lavitra saingy kanosa kosa rehefa miatrika mivantana ny olona (2 Kor. 10:10, 11). Novaliany fa izay toa heverina ho fahalemena dia tokony ho hita fa hamoram-panahy manan-danja sy fahalemem-panahy araka an'i Kristy.

Tsy maintsy atrehina amim-pahasahiana sy amim-patokisan-tena ny mpampianatra sandoka (2 Kor. 10:2) nefa tokony hiharo amin'izany koa ny hamoram-panahin'i Kristy (2 Kor. 10:1). Hoy i Jesosy indray andro: "malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho."-Mat. 11:29. Teo anatrehan'izany anefa, dia niteny mafy tamim-pahasahiana tamin'ireo mpanakalo vola tao amin'ny tempoly Izy ary nanjera ny latabatr'izy ireo sady niantso azy ireo hoe jiolahy (Mat. 21:12, 13). Nantsoiny koa hoe mpihatsaravelatsihy ireo Fariseo, ary teo imason'izy ireo no niantsoany azy ho fasana voalalotra fotsy (Mat. 23:23-27). Toa an'i Jesosy, dia fantatr'i Paoly koa fa ao anatin'ny ady ara-panahy isika, ady izay mitaky ny hampiasantsika ny fiadian'Andriamanitra (Efes. 6:12-17).

Manondro ny fiadian'ny miaramila ny teny ampiasain'i Paoly ao amin'ny 2 Kor. 10 satria iankinana aina izany ady izany (2 Kor. 10:3-6). Tsy ady eo amin'ny olombelona fotsiny izany fa adin'Andriamanitra mihitsy, mba hamaboana olona ho an'i Kristy. Araka izany, ny hevi-diso sy feno fandrantan-tena rehetra dia tsy maintsy atrehina ary torotoroina, araka ny Tenin'Andriamanitra, mba hahatonga ny fisainana rehetra ho babo ka "hanaiky an'i Kristy."- 2 Kor. 10:5.

Ao anatin'izany ady ara-panahy izany, dia miasa araka ny fahefana nomen'i Kristy azy i Paoly, fahefana izay mikendry ny fampiorenana fa tsy ny fandravana izany (2 Kor. 10:8). Mora ho an'ny mpitondra fivavahana ny milaza fa miasa araka ny fahefan'Andriamanitra izy, nefa tokony hotadidian'izy ireo fa i Kristy no manome azy ny fahefana ka tokony ho hita eo aminy araka izany ny hamoram-panahin'i Kristy sy ny fanetren-tenany. Ny fanambaran'i Paoly fa nomen'i Kristy fahefana izy dia vokatry ny fanahiany fandrao ireo Korintianina hihaino ny mpampianatra sandoka ka tsy hahatoky amin'i Kristy intsony.

Ahoana no hanehoantsika fahalemem-panahy sy fahasahlana manoloana Ireo mpamplanatra sandoka? Nahoana no tsy maintsy maneho Ireo toetra roa ireo Isika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal