Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Famantarana ny fahefan' Andriamanitra

Daty
Sabotsy 10 May 2025

 "Ary izay taranakao no hanangana ny efa raya ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary hianao dia hatao hoe mpamboatra ny raya, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany. " Isa. 58:12.

Mofon’aina:
Ny Sabata no fatorana volamena mampiray an'Andriamanitra amin'ny vahoakany. Kanefa nodikaina ny didy momba ny Sabata. Nozimbazimbaina ny andro masin'Andriamanitra. Nesorin' ilay lehilahin'ota an-keriny teo amin'ny toerany ny Sabata, ka andro fiasana tsotra no nohindrahindrainy ho solony. Nisy nandrava ny lalàn'Andriamanitra, ary tsy maintsy averina amin'ny laoniny izany. Tsy maintsy asandratra eo amin'ny toerana tokony hisy azy ny Sabata marina, amin'ny maha-andro fitsaharan'Andriamanitra azy.

Soritsoritana ao amin'ny Isaia toko faha-58 ny asa tokony hotanterahin'ny vahoakan'Andriamanitra. (...) Izy ireo no ilazan'Andriamanjtra hoe: "Ary izay taranakao no hanangana ny efa raya ela, (..). Raha miaro ny tongotrao amin'ny Sabata hianao ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin 'i Jehovah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin'ny làlanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana, dia hiravoravo amin'i Jehovah hianao, ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany hianao, sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao; fa ny vavan Jehovah no efa niteny." — and. 12 14. 

Ny momba ny Sabata no hifanolanana amin'ilay ady lehibe farany izay andraisan'ny rehetra anj ara. Nohajain'ny olona mihoatra noho ny fitsipika mifehy ny lanitra ny fitsipik'i Satana. Nekeny ny Sabata sandoka, izay nireharehan'i Satana ho mariky ny fahefany. (...) Ny didy tsirairay momba ny Sabata, (na ny tena izy na ny sandoka), dia samy mitondra ny tombokasen'ny tompony avy, izay marika tsy azo fafana momba ny fahefan'ny tsirairay. Ny asantsika dia ny mitaona ny olona hahatakatra izany. Tsy maintsy asehontsika azy ireo fa iankinan'aina ny vokatry ny fitondrana ny mariky ny fanjakan'Andriamanitra na ny mariky ny fanjakan'ny fikomiana; ny fitondrany izany marika izany mantsy dia midika ho fileferany amin'ilay fanjakana. (...) Zava-dehibe, araka izany, ny hanehoantsika ohatra araka ny tokony ho izy momba ny fitandremana ny Sabata. TFC, b. 6, tt. 351,353. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal