Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fisaorana sy fiderana

Daty
Talata 13 February 2024

Midira eo amin'ny vavahadiny amin'ny fisaorana, ary eo an-kianjany amin'ny fiderana; misaora Azy, mankalazà ny anarany." - Sal. 100:4.

Raha manokana ny fontsika sy ny saintsika ho amin'ny fanompoanaan' Andriamanitra isika, ka manao ny asa asainy ataontsika, ary mandeha araka izay nandehanan'i Jesôsy koa, dia hanjary lokanga masina ny fontsika, ka ny tadiny tsirairay dia hamoaka feo fiderana sy fisaorana an'Ilay Zanak'ondrin' Andriamanitra manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao (...).

Tian'i Kristy hifantoka Aminy ny fisainantsika (...). Aza mijery ny "izaho" fa mitodiha any amin'i Jesôsy, Ilay loharanon'ny fitahiana rehetra sy ny fahasoavana rehetra, Ilay loharanon'ny zava-tsoa sy sarobidy rehetra ho an'ny zanak' Andriamanitra. (...)

I Jesôsy Tompo no hery sy fahasambarantsika, Ilay trano firaketana lehibe azon'ny olona anovozana hery amin'ny fotoana rehetra. Rehefa mandinika ny momba Azy isika, rehefa miresaka ny Aminy, ka afaka mibanjina Azy bebe kokoa - rehefa mitaky ny fahasoavany isika ka mandray ny fitahiana atolony, dia manan-javatra azontsika anampiana ny hafa. Amin'ny fo feno fankasitrahaa no ampitantsika amin'ny hafa ny fitahiana izay efa nomena antsika maimaimpoana. Rehefa mandray sy manome toy izany isika dia mitombo amin'ny fahasoavana; ary mipololotra fiderana sy fisaorana tsy mitsahatra ny vavantsika; mahavelom- pankasitrahana ny fontsika ny toetran'i Jesôsy malemy fanahy, ary misandratra sy mahatsapa fiarovana ny fanahintsika. Manjary fahamarinantsika, amin'ny alalan'ny finoana, ny fahamarinan'i Kristy tonga lafatra sy mandrakizay.

Aoka ny fitahiana havaoziny ho antsika isan'andro hamoha fiderana ao am-pontsika, fa fanehoana ny fiahiany antsika amim-pitiavana izany.

Isa-maraina, raha vao misokatra ny masonao, dia misaora an' Andriamanitra noho ny niarovany anao nandritra ny alina. Isaory Izy noho ny fiadanany ataony ao am-ponao. Aoka ny fankasitrahanao Azy maraina, atoandro, ary hariva, ho toy ny fofo-manitra miakatra ho any an-danitra. (...)

Miambina antsika tsy ho azon'ny ratsy, ary manohitra ny herin'ny maizina mitady handringana antsika (...) ireo anjelin' Andriamanitra alin- kisa. Moa ve tsy manana antony maro tokony hisaorana an'Andriamanitra isika amin'ny fotoana rehetra, eny, na dia toa misy zava-tsarotra aza ny lalantsika? - MLT, t. 171.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal