Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Soa indrindra ny teny atao amin'ny antony

Daty
Alakamisy 15 February 2024

"Ny teny atao amin'ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra."-Ohab. 25:11.

Nandritra ny lanonana iray dia nandray fitenenana i Jesosy ary nanome lesona sarobidy maro. Nihaino Azy ny olona nanatrika teo; moa tsy Izy ve no nanasitrana ny marariny? Tsy Izy ve no nampahery ireo mijaly teo aminy? Tsy Izy koa ve no nitrotro ireo zanany madinika teo an-tsandriny? Voatarika ho eo Aminy ny mpamory hetra sy ny mpanota; ary rehefa niteny Izy dia nifantoka Taminy tanteraka ny fahalianan'ireo.

Nampianatra ireo mpianany ny amin'izay tokony ho fitondrantenany rehefa miaraka amin'ny hafa i Kristy. Nanome lesona azy ireo momba ireo adidy sy fitsipika co amin'ny fiainam-piarahamonina Izy, izay mitovy amin'ny lalána mifchy ny fanjakan' Andriamanitra ihany Tamin'ny oha-piainany no nampianarany ny mpianany fa rehefa mivory miaraka amin'ny besinimaro dia tokony hanan-javatra holazaina izy ireo. Ny resaka ataony mandritra ny lanonana iray dia hafa amin'izy nohenoin'ny olona tamin'ireo lanonana lasa. Hanitra avy amin'ny fiainana ho amin'ny fiainana ny teny tsirairay nambarany. Tamin'ny fomba mazava sy tsotra no nitenenany. Tahaka ny paoma volamena anaty fanaka volafotsy ny teniny.

Ny firaisana amin'i Kristy tsy hay tombanana ny hasarobidin'izany! Tombontsoantsika ny manana izany (...). Rehefa nandre ny tenin'i Kristy ireo mpianatra vpalohany dia nahatsapa fa mila Azy. Nitady Azy izy ireo, nahita Azy, ary nanaraka Azy. Niaraka Taminy izy ireo na tao an-trano, na teo am-pisakafoana, na tany amin'ny toerana mitokana, na teo am-piasana. Niaraka Taminy toy ny mpianatra miaraka amin'ny mpampianany izy ireo, nandray lesona isan'andro avy Aminy momba ny fahamarinana masina. Toy ny fijerin'ny mpanompo ny Tompony ny fijerin'izy ireo Azy(...). Tamim-pifaliana sy fahafinaretana no nanompoany Azy.

Omen-danja lehibe ny fikambanana misy eo amintsika. Maro no mety ho voaofantsika ho olona tsara sy tia manampy, saingy tsy misy sarobidy mihoatra noho ny olombelona voafetra mifandray amin'Ilay Andriamanitra tsy manam-petra. Rehefa tafaray Aminy toy izany isika dia mitoetra ao anatintsika ny tenin'i Kristy (...). Fo voadio, fiainam-pahendrena, toetra tsy misy tsiny, no vokany. Amin'ny alalan'ny fifankazarana sy ny fiarahana amin'i Kristy irery ihany anefa no hahatonga antsika ho tahaka Azy, Ilay Ohatra tonga lafatra. - MLT, t. 190.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (20)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal