Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 04 July 2025

FIANARANA FANAMPINY

Vakio ny "Mosesy", PM, ed. 1885, tt. 239-248, izay hitondra fanazavana manan-danja eo am-pandinihanao ny ampahan-tSoratra Masina amin'ity herinandro ity.

Izao no voalazan'ny Baiboly: "Nefa natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain'ny mpanjakan'i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy." - Eks. 1:17. Manazava tsara ny fahatokian'ireo mpampivelona ireo, sy ny fanantenana momba ny Mesia, i Ellen G. White. "Nomena baiko ny mpampivelona Hebreo mba hamono ny zazalahy teraka rehetra. Tsy iza no nanome izany baiko feno habibiana izany, fa Satana izay nahafantatra ny fampanantenana ny hiavian'ny Mpanafaka ka nihevitra ny hanafoana ny planan'Andriamanitra. Nefa natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona ka nandà tsy hanatanteraka izany didy tsy mifaditrovana izany, dia nasian'Andriamanitra soa ireo mpampivelona sady nambininy." - PM, ed. 1985, t. 240.

Izao no vaovao mahafaly amin'izany rehetra izany: na eo aza ny drafitr'i Satana dia nandresy Andriamanitra, ary nampiasa olona mahatoky Izy mba hampandamoka ny planin'ny fahavalo. Ao anatin'ny faritanin'ny fahavalo no misy antsika, izay nantsoin'i Jesosy hoe "mpanapaka" na "andrianan'izao tontolo izao" (Efes. 2:2; Jao. 14:30). Nalain'i Satana an-keriny tamin'i Adama io toerana io, saingy nandresy azy i Jesôsy Kristy tamin'ny alalan'ny fiainany sy ny fahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana (Mat. 4:1-11, Jao. 19:30, Heb. 2:14). Na mbola velona sy miasa aza i Satana, araka ny asehon'ny fikasany hamono ireo zaza ireo, dia efa azo antoka kosa ny fandringanana azy (Jao. 12:31; Jao. 16:11; Apôk. 20:9,10,14). Azo resena amin'ny alalan'ny fahasoavan'Andriamanitra ireo zava-tsarotra eo amin'ny fiainana (Fil. 4:13); izany no vaovao mahafaly. lo fahasoavana io no hany fanantenantsika.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Nahoana no navelan'Andriamanitra honina tany Egypta sy hampahorina ny Hebreo? Nahoana no niandry ela Andriamanitra vao niditra an-tsehatra ho azy ireo? Tsarovy koa anefa fa tsy nijaly mihoatra ny halavan'ny androm-piainany ny olona tsirairay, Izany hoe, marina fa nijaly nandritra ny fotoana maharitra ny firenena, fa ny olona tsirairay kosa dia tsy nizaka afa-tsy izay fahoriana natrehiny teo amin'ny fiainany manokana ihany. Nahoana no zava-dehibe ny fanaovana izany fanavahana izany mba hahatakarana ny momba ny fahorian'ny olombelona ankapobeny?

2. Saintsaino misimisy kokoa ny mikasika ny fomba nahafahan' Andriamanitra nampiasa ny fihetsika feno herisetra nataon'i Mosesy tamin'ny namonoany ilay Egyptianina, Andeha hatao hoe tsy nanao izany izy; midika ve izany fa tsy ho tafavoaka ny tany Egypta mihitsy ny Hebreo noho izany? Hazavao ny hevitrao.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Jun 2025
TELOVOLANA 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.
Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.
Sun 29 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.
Mon 30 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.
Tue 01 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.
Wed 02 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.
Thu 03 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.
Fri 04 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Jun 2025
TELOVOLANA 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal