Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanoloran-tena feno no tadiaviny.

Daty
Alarobia 02 July 2025

" Tiava an’i Jehôvah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra; ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao. " Lio. 10:2.

Mofon’aina:
Mizaha toetra sy mitsapa anao ny Tompo. Efa nanoro hevitra sy nananatra ary niangavy Izy. (...) Arakaraka ny hanitsian’ny Tompo na hanoroany lalana matetika, ka tsy hiraharahanao ny feony, no vao mainka hahatonga anao ho eo amin’ny toerana izay handavanao izany hatrany, mandra-pilazan’Andriamanitra aminao hoe: “Satria efa niantso Aho, fa nandà hianareo; efa naninjitra ny tànako Aho, fa tsy nisy nitandrina; fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, sady tsy nety nanaiky ny anatro hianareo (...) dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho. Satria nankahala ny fahalalana izy ary tsy nifidy ny fahatahorana an’i Jehôvah . Tsy nekeny ny saina natolotro, notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra, dia hihinana ny vokatry ny alehany izy ka ho voky ny fihendreny.” – Ohab. 1:24,25,28-31.

(...) Tandremo, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona. Tsy fantatrao ny andro hamangiana anao. (...) Raha mandinika ny toetr’ireo olona milaza fa mpanara-dia Azy i Jesôsy amin’izao fotoana izao, dia tsy fahaiza-mankasitraka, fiseho ivelany poaka aty, fihatsarambelatsihy, avonavona toy ny an’ny Fariseo ary fihemorana no ho hitany.

Ny ranomaso nalatsak’i Kristy teo an-tendrombohitra Oliva dia noho ny tsy fibebahana sy ny tsy fahaiza- misaotra asehon’ny olona tsirairay amin’ny andro farany. (...) Navadika ho toerana fanaovana varotra tsy masina ny kianjan’ny tempolin’ny fo. Fitiavan-tena, mamôna, toetra tsy mifaditrovana, fialonana, avonavona, ary firehetam-po no kolokoloina ao anatin’ny fon’ny olombelona. (...) Avonavona no asetry ireo iraka alefany ary toy ny angano ihany no andraisana ny teniny. (...)

Miangavy anao izay mitonona ho nitana ny finoana hatry ny ela aho, nefa manaja an’i Kristy amin’ny fiseho ivelany sisa: Aza mamitaka ny fanahinao fa ny fo manontolo no ankasitrahan’i Jesôsy. Ny fahatokian’ny fanahy irery ihany no sarobidy eo imason’Andriamanitra. (...) – TFC, b. 5, tt. 72,73.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (28)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal