Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny toetra tsara no ankasitrahany indrindra

Daty
Alatsinainy 19 February 2024

 "Ary aoka ho aminay ny fahasoavan'ny Tompo Andriamanitray."-Sal. 90:17.

Tia izay rehetra kanto Andriamanitra,Tfa ny tiany indrindra dia ny toetra tsara (...). Tsy mba ho levona ny hatsaran-toetra fa haharitra mandritra ny taona rehetra mandrakizay.

Nihevitra ny lilia Ilay Mpiangaly zava-kanto ngezalahy ka nataony tsara tarchy indrindra ireny, eny, mihoatra noho ny voninahitr'i Sôlômôna aza. Manao ahoana ny fihoaran'ny ataony ho an'ny olona, izay endrik' Andriamanitra sy voninahiny! Iriny mafy ny hahita ny zanany hancho toetra amam-panahy manam-pitoviana Aminy. Tahaka ny tana-masoandro mizara loko samihafa sy kanto amin'ny voninkazo, no ataon Andriamanitra mizara ny hakanton'ny toetra amam-panahiny amin'ny fanahy.

Izay rehetra mifidy ny fanjakam- pitiavana sy ny fahamarinana ary ny fiadanan'i Kristy, ka mametraka ny tombontsoan izany ho ambonin'ny hafa rehetra, dia mifamatotra amin'ny fiainan'ny any ambony, ary azy ny fitahiana rehetra ilaina ho amin'ity fiainana ity. Omena takila iray avy isika ao amin'ny bokin'ny lanitra, dia ao amin'ny bokin'ny fiainana izany. Misy ny zavatra rehetra manokana momba ny fiainantsika io takila io ary na dia ny volon-dohantsika aza dia voaisa. Tsy misy hadinoin' Andriamanitra na dia ny iray amin'ny zanany aza.

Ny fisehosehoana araka izao tontolo izao, na miezinezina aza, dia tsy misy vidiny co imason'Andriamanitra. Ny tsy hita maso sy ny mandrakizay no omeny lanja ambonin'izay miseho ivelany sy ny ara-nofo. Tsy manana tombam-bidy ireo farany ireo raha tsy maneho iretsy voalohany. Na ny tsangan'asa kanto indrindra aza dia tsy azo ampitahaina amin'ny hatsaran- toetra, izay vokatry ny asan'ny Fanahy Masina ao amin'ny fanahy. (...)

Tonga teto an-tany i Kristy, nijoro teo anatrehan'ny zanak'olombelona, niaraka tamin'ny fitiavany lalina sy lehibe sy mandrakizay, izay natao horaisintsika sy hotorintsika ary hampitaintsika amin'ny alalan'ny fifandraisantsika Aminy. (...)
Nataohiavakaamin'izao tontoloizao isika satria efa nasian'Andriamanitra ny tombokaseny, ary satria aschony amin'ny alalantsika ny toetrany izay fitiavana. - MLT, t. 270.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (20)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal