Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy tian’Andriamanitra ny fisaritahana.

Daty
Sabotsy 05 July 2025

 " Ary hoy Jehôvah tamin ’i Mosesy: Mandehana ho eny amin’ny olona, ka manamasina azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy (...) Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin’Andriamanitra. " Eks. 19:10,17.

Mofon’aina:     
Misy ireo izay mihevitra fa ho fanatanterahana ny fisarahana amin’izao tontolo izao izay takin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ilainy ny tsy manao ho zava-dehibe firy ny fitafiany. Misy rahavavy sasantsasany mihevitra fa manatanteraka ny tsy fitoviana amin’izao tontolo izao ka ny akanjo fitondrany mandritra ny herinandro ihany no tafiany rehefa tonga ny Sabata (...).

Toy izany koa ny fihevitry ny lehilahy sasany izay mitonona ho Kristianina. Miara-mivory amin’ny vahoakan’Andriamanitra izy rehefa Sabata, nefa ny fitafiany feno vovoka sy fotaka ary rovitra mihitsy aza (...).

Io sokajin’olona io anefa, raha hamonjy ny fotoana nifanomezany tamin’ny namany izay manan-kaja eo amin’izao tontolo izao, dia hiseho amin’ny fitafiana hitany fa tsara indrindra mba hahazo ny fankasitrahany. (...)

Heverin’ireo olona ireo fa tsy zava-dehibe loatra ny fitafiany na izay fahitana azy ety ivelany rehefa mivory amin’ny andro Sabata izy mba hiankohoka amin’Andriamanitra lehibe. Mivory ao an-tranon’Andriamanitra izay efitra fandraisan’Ilay Avo Indrindra izy ireo, ao amin’izay misy anjely manatrika, nefa dia zara raha maneho haja na tahotra izy eo anatrehan’izany araka izay asehon’ny fitafiany. (...)

Ny lohahevitra tena tian’io sokajin’olona io indrindra dia ny avonavon’ny fitafiana. Heveriny fa avonavona ny fahamendrehana sy ny safidy tsara ary ny filaminana. Dia araka ny fitafiany koa ny resaka sy ny asa ary ny raharaha fanaony. (...) Ankapobeny dia ny fitafiana sy ny fomba fisehon’izany eo amin’ny olona no hamantarana ny maha-izy azy. Ireo izay tsy misy firaihana sy tsy mahakarakara ny fitafiany dia tsy manana fahamboniana firy eo amin’ny resaka ataony sy ny fihetseham-pony.

Matetika ny fiseho hafahafa sy ny tsy fahavarana loatra no heveriny ho fanetren-tena (...) Andriamanitry ny filaminana ny Andriamanitsika ka tsy mahafaly Azy velively ny tsy fahavaran-tena sy ny havoretrana ary ny fahotana. – SIM, 2, tt. 475,476.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (28)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal