Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Andraikitra masina ny fitaizana.

Daty
Alarobia 09 July 2025

" Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy hoy Jehôvah . 'Ary aza manendry izay ravatra tsy madio ; ary Izaho dia handray anareo ". 2 Kôr. 6:17,18.

Mofon’aina:
Rehefa hihaona am in'ny andro fampamoahana farany ny ray aman-dreny sy ny zanaka dia ho mahatahotra tokoa ny zavatra hiseho! Ankizy an'arivony maro izay nandevozin 'ny fitiavan-komana sy ny faharatsian-toetra mampietry, ary tonga ratsy fitondrantena tanteraka, no hijoro eo anatrehan'ireo ray aman-dreny izay nahatonga azy ho toy izany. Iza ankoatra ny ray aman-dreny no natao hiantsoroka izany andraikitra mahatahotra izany? (...) Moa ve tsy ny fahotan'ny ray aman-dreny izay nafindrany tamin'ny zanany tamin'ny alalan'ny fitiavan-komana sy ny firehetam-po mampitotongana no nahatonga izany? Ary moa ve izany tsy asa notanterahin'ireo izay nanao an-tsirambina ny fanabeazana ny zanany ho araka ny môdely efa nomen’ Andriamanitra? (…)

Vonona ny hanao ny asany i Satana: tsy mba hataony rainazy ny haneho zava-mahataona maro amin'ireo ankizy tsy mba manana hery na sitrapo ara-pitondrantena hanoherana azy. Hitako fa, amin'ny alalan'ny fakam-panahy alefany, dia efa naoriny ny fisian'ny lamaody miovaova tsy tapaka, ny fialam-boly (...) izay mety hitarika ny renim-pianakaviana handany ny fotoany amin-javatra tsy misy heviny (...). Ny tanorantsika dia mitady reny izay hampianatra azy dieny mbola zaza menavava hifehy ny firehetan'ny fo, handositra ny hatendan-kanina ary handresy ny fitiavan-tena.

Ny vehivavy dia tokony hihazona ny toerana efa nanendren'Andriamanitra azy hatrany am-boalohany, amin'ny maha-mpanampy tandrify ny vadiny azy. Mila reny tsy anarany fotsiny izao tontolo izao (...). Azontsika atao ny milaza tsy amim-pisalasalana fa masina kokoa, ary voatokana kokoa noho ny an'ny lehilahy ny adidy mampiavaka ny reny. Aoka ny reny hahatsapa ny fahamasinan'ny asany. (...) Mampirisika ny reny kristianina aho hahazoany an-tsaina ny andraikiny sv hananany fiainana manome voninahitra an'Andriamanitra fa tsy izay hahafinaritra ny tenany ihany. Nandao ny lapam-panjakany i Kristy ary nanarona ny maha-Andriamanitra A zy tamin'ny maha-olombelona, mba hampianarany antsika (...) fa azontsika atao ny hisandratra eo amin'ny toeran'ny zanakalahy sy zanakavavy, (...) zanaky ny Mpanjakan'ny lanitra. CE, 177-179. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal