Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilaina indrindra ny fahamasinana ara-Baiboly.

Daty
Alatsinainy 14 July 2025

"Izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-miafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra. — Kôl. 1:27.

Mofon’aina:
Sarotra ho an'ireo mihevitra fa efa miorina tsara eo amin'ny tanjona notratrariny sy mihevi-tena ho manam-pahalalana ara-panahy feno ny mandray ny hafatra [ho an'ny Laodikia] izay milaza ny mahadiso hevitra azy sy ny filany ny fahasoavana ara-panahy rehetra. (...) Naseho ahy fa maro no mandoka ny tenany ho Kristianina vanona nefa tsy manana akory ny tara-pahazavana avy amin'i Jesôsy. Tsy manana fanandramana velona ho an'ny tenany izy eo amin'ny fananana fiainana araka an'Andriamanitra. (...) 

Mitarika tsikelikely ny vahoakany Andriamanitra. Tolona sy dia mitohy ny fiainana kristianina. Amin'ny ezaka tsy miovaova sy tsy miato no hihazonantsika ny fandresena ny fakam-panahy alefan'i Satana. (...) Ny fanambaran'ny Soratra Masina izay betsaka sady mazava no hanohana antsika tanteraka eo amin'ny toerana misy antsika. Ny tena tsy ananantsika indrindra anefa dia ny fanetren-tena araka izay ampianarin'ny Baiboly, ny faharetana, ny finoana, ny fitiavana, ny fandavan-tena, ny fiambenana ary ny toe-tsain'ny fahafoizan-tena. Mila rnikolokolo ny fahamasinana voalazan'ny Baiboly isika. Manjaka eo amin'ny vahoakan'Andriamanitra ny ota. (...) Maro no mifikitra amin'ny fanahiany sy ny fahotana mbola ankamamiany, nefa dia mamita-tena tokoa amin'ny filazany sy fahatsapany fa tsy mita na inona na inona izy. Heveriny fa tsy ilaina akory ny fananaran'ny Fanahin'Andriamanitra, na koa hoe tsy natao ho azy.

lzy anefa no tena mita indrindra ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fahaiza-manavaka (...) mba hahitany ny tsy fahampian'ny fahalalany ara-panahy. Saika ireo lafiny rehetra ilaina indrindra amin'ny fandavorariana ny toetra kristianina no tsy ananany. (...)

Tsy ampy ny milaza fotsiny fa mino ny fahamarinana isika. Ny miaramilan'ny hazo fijalian'i Kristy rehetra dia saika mirotsaka an-tsitrapo avokoa eo amin'ny ady atao amin'ny fahavalon'ny fanahy (...). Ny hafatr'ilay Vavolombelona marina dia manambara fa misy fahadisoan-kevitra lehibe eo amin'ny vahoakantsika, izay ilana indrindra ny fampitandremana azy ireo, mba hanairana azy ao amin'ny torimasony ara-panahy ka hahatonga azy hiasa tsy misy hatak’andro. TFC, b. 3, tt. 253, 254. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal