Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Inona no antony manosika antsika?

Daty
Zoma 18 July 2025

 "Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra. Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany no nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin'ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra." — Mar. 12:43,44.

Mofon’aina:
Ny anton-javatra manosika antsika no mamaritra ny toetry ny asantsika, ka misy fitomboka aminy amin'ny fahafaham-baraka na amin'ny fahamendrehan'ny fitondrantena ambony. Tsy ny zava-dehibe izay hitan'ny maso rehetra sy derain'ny lela rehetra tsy akory no isain'Andriamanitra ho sarobidy indrindra. (...). Nomen' ilay mpitondratena mahantra ny fivelomany hoenti-manao ny kely mety ho vitany. Nampiafy ny tenany tamin'ny sakafo izy mba hahazoany manome ireo farantsa kely roa ho an'ny asa izay tiany. Ary nataony tamim-pinoana izany, nino izy fa ny Rainy any an-danitra dia tsy hijery fotsiny amin' izao ny fahasahiranany lehibe. Io toe-tsaina tsy misy fitiavan-tena io sy io finoana toy ny an'ny zaza io no noderain'ny Mpamonjy.

 Eo anivon'ny mahantra dia betsaka no maniry mafy ny haneho ny fankasitrahany an'Andriamanitra noho ny fahasoavany sy ny fahamarinany. Maniry mafy hiara-misalahy amin'ny rahalahiny ambinina kokoa izy eo amin'ny fanohanana ny asa fanompoana an'Andriamanitra.

Tsy tokony hatositosika ireny fanahy ireny. (...) Raha miteny ny amin'ilay mpitondratena i Jesosy hoe: Efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra', dia marina ny teniny, tsy teo amin'ny anton'izany ihany, fa teo amin'ny vokatry ny fanomezany koa. (...) Toy ny renirano ny hery miasa mangina avy amin'io fanomezana kely io, kely izany tamin'ny voalohany, nefa nitombo sy nihalalina raha nikoriana nandritra ny taonjato nifandimby. Tamin'ny fomba an'arivony no nandraisany anjara tamin'ny fanampiana ny mahantra sy ny fanaparitahana ny filazantsara. Ny ohatry ny fahafoizan-tena nataony dia niasa ary niasa hatrany tamin'ny fo an'arivony teo amin'ny tany rehetra sy ny vanin'andro rehetra. (...) Toy izany koa ny fanomezana rehetra sy ny asa rehetra, atao amin'ny fo madio maniry ny voninahitr' Andriamanitra. Mifamatotra amin'ny fikasan'Ilay manana ny hery rehetra izany. Tsy misy olona afaka hamatra ny soa mety ho vokatr'izany. — IFM, U. 657-658. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal