Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy manameloka fa mifona ho an'ny hafa

Daty
Alakamisy 24 July 2025

 "Koa amin'izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona." — Heb. 2:17.

Mofon’aina:
Aoka ny olombelona, izay hazan'ny fakam-panahy mandrakariva, ahatsiaro fa manana Mpisoronabe izay mahalala tsara ny fahalemeny izy, satria Izy koa dia efa mba nalaim-panahy tahaka azy ireo ihany. Ary aoka ireo izay eo amin' ny toerana misy andraikitra hahatsiaro fa eo ambanin'ny herin'ny fakam-panahy mandrakariva izy ka mila miankina tanteraka amin'ny fahamendrehan'ny Mpamonjy. Na masina toy inona aza ny asa niantsoana azy, dia mpanota ihany izy ireo, ary tsy hahazo famonjena raha tsy amin'ny fahasoavan'i Kristy irery ihany. Tsy maintsy hijoro eo anatrehan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy indray andro any, na voavonjy tamin'ny ran'ny Zanak'ondry, na voaheloka amin'ny famaizana natokana ho an'ny ratsy fanahy. (…) 

Endrey ny alahelon'i Kristy noho ny tsy fifanehoan'ny vahoakany fitiavana sy fahalemem-panahy! Voamariny ny teniny sy ny lantom-peony. Reny ny fitsarana henjana sy masiaka atao amin'ireo izay nanehoany fitiavana tsy manam-petra teo anatrehan'ny Ray. Henony avokoa ny senton'alahelo sy fahoriana rehetra ateraky ny fahasiahan'olombelona, ka ory indrindra ny Fanahiny.

Tsy mahay manao ny tsara isika raha misaraka amin'i Kristy. Tsy mitombina, noho izany, ny fanindrahindran'ny olombelona ny tenany! Mahagaga ny fanadinoany fa mila mibebaka izy, tahaka ireo namany ihany, ary ireo izay melohiny fatratra dia azo hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra rehefa nandray ny firaisam-pon'i Kristy sy ny anjely.

 Aoka ny irak'Andriamanitra hiasa toy ny lehilahy sy vehivavy hendry. Aoka ny fanahiny tsy hiavonavona fa hanetry tena kosa (Isa. 57:15). (...)

Miaro izay rehetra alaim-panahy i Kristy, kanefa mandritra izany, dia maro amin'ny vahoakany no manao izay mampalahelo Azy amin'ny fiandaniany amin'i Satana sy ny fiampangana ny rahalahy sy ny anabaviny amin'ny fanondroana ny fitafiany maloto.

 Aoka tsy ho kivy ireo izay kianina, satria na manameloka azy aza ny hafa, i Kristy kosa dia milaza aminy hoe: "Efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako hianao. Ahy ianao, amin'ny alalan'ny famoronana sy ny fanavotana." — RH, 17 Marsa, 1903. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal