Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aza tia tena.

Daty
Zoma 25 July 2025

"Fa ny làlana rehetra izay nandidian'i Jehôvah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona hianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin'ny tany izay holovanareo." — Deo. 5:33.

Mofon’aina:
I Kristy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Mangataka anao aho mba handinika ny fiainany. (...) Tonga Izy mba hitondra fiainana mandrakizay ho an'ny fanahy very. Tamin'ny namoizany ny Zanany no nanehoan'ny Ray ny faniriany lalina hamonjy ny mpanota. "Ary izany no itiavan'ny Raiko Ahy", hoy i Kristy, "satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray." — Jao. 10:17. Tena tia antsika ny Ray, saingy amin'ny fitiavana izay zara raha takatsika.

Tsy manana toetra feno fandavan-tena sy fahafoizan-tena ny lehilahy sy vehivavy maro, hany ka dia tsy azony an-tsaina ny sorona nataon'ny lanitra tamin'ny nanomezany an' i Kristy an'izao tontolo izao. Tafaharo amin'ny fitiavan-tena sy ny fanandratan-tena ny  fanandramana ara-pivavahana. Kely ihany ny fahafahan'ny olona toy izany manantena ny ho mpiara-mandova amin' i Kristy. "Lazaiko aminareo marina tokoa", hoy Izy tamin'ny mpianany, "raha tsy miova hianareo ka tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan 'ny lanitra mihitsy hianareo." — Mat. 18:3. 

Maro no mitonona ho mpivavaka mafana fo kanefa mandrefy ny fahamasinany amin'ny an'ny hafa, ary vokatr 'izany dia marefo ny aim-panahiny. Tsy resy ny avonavona. (...) Oh, raha mba miaiky ny fahadisoany eo anatrehan'Andriamanitra mantsy izy ka mitalaho ny fanatrehan'ny Fanahy Masina eo amin'ny fiainany! Hikoriana ao am-pon'izay voadio ka afaka amin'ny fitiavan-tena sy ny fahotana, ary eo amin'ny fiainan'izay manao ny fahamarinana ho lohalaharana, ny fahamarinana sy ny fahitsiana. (...)

Tsy hihena tsy akory ny faharatsian' izao tontolo izao. Isan-taona dia mainka mihamanjaka ny ratsy, ary mitombo ny tsy firaihan'ny olona. Aoka ho feno fandinihan-tena sy fiaiken-keloka ny fivoriantsika. Tom-bontsoa ho an'ny vahoaka izay efa nandray fitahiana lehibe toy izany ny ho tonga hazon'ny fahamarinana, izay mampita faherezana sy fitahiana. (...) Amin'ny fiombonany amin'ny fandavan-tena sy ny fahafoizan-tenan'i Kristy no hampianarany ny lehilahy sy ny vehivavy hiala amin'ny fitiavan-tena sy ny fahotana ka hanekeny kosa ny hakanton' ny toetran' Andriamanitra. — RH, 22 Jolay, 1909. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal