Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Katsaho ny haneho ny endrik'i Jesôsy.

Daty
Alahady 27 July 2025

 " Izay milaza fa mitoetra ao Aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa." — 1 Jao. 2:6.

Mofon’aina:
Endrey ny fitiavana sy ny fikarakarana nasehon'Andriamanitra, fa fony tsy mbola nangataka ny famin-drampon'Andriamanitra akory isika dia efa vonona ny handray an-tanana ny fanavotana antsika i Kristy! Fankatoavana tsy misy fepetra anefa no takin'ilay Dokotera lehibe amintsika tsirairay avy. Tsy antsika ny mamantatra izay fanafody ilaintsika. Ilaina fehezin'i Kristy manontolo ny sitrapo sy ny asantsika raha tsy izany dia tsy afaka hisalovana ho antsika Izy. (…)

 Mety hihevitra tahaka an'i Nikodemosy isika fa marina sy mahitsy ny fiainantsika sy ny fiton-drantenantsika, ka tsy ilaintsika ny mampietry ny fontsika eo anatrehan' Andriamanitra toy ny mpanota. Tsy maintsy mionona anefa isika fa tahaka ny fomba hidiran'ny lohan'ny mpanota amin'ny fiainana ihany no hidirantsika amin'izany koa. Tsy maintsy maty ny "izaho". Tsy ilaintsika ny mitoky amin'ny fahamarinan'ny tenantsika, fa amin'ny fahamarinan'i Kristy. Izy no herintsika sy fanantenantsika.

 Ny finoana marina dia arahin'ny fitiavana, (...) fitiavana izay mandravona ny olana sy manandratra antsika ho ambonin'ireo zava-poana ataon'i Satana eny amin'ny lalantsika mba hanem-bantsembanana antsika. Arahin'ny fankatoavana koa ny fitiavana. (...)

 Izao no atao hoe tonga mpianatr'i Kristy: mandà tena ary manaraka an'i Jesôsy na amin'ny mora na amin'ny sarotra. Mandrindrina ny varavarana tsy hidiran'ny avonavona, ny fitsiriritana, ny fisalasalana, ary ny ota hafa izany, izany hoe fandroahana ny fifandrafiana, ny fankahalana ary ny asan'ny ratsy rehetra. Fandraisana an'i Jesôsy ao am-po izany, dia Ilay malemy fanahy sy tsy miavona am-po sady miandry fatratra ny hampandrosointsika. (...)

I Jesôsy no môdely feno sy tanteraka ho an'ny taranak'olombelona (...) Ny lehilahy na ny vehivavy izay manolokolo indrindra ny fitiavana an'i Kristy ao amin'ny fanahiny, ary maneho tsara indrindra ny endrik'i Kristy, no olona marina sy mendrika ary be voninahitra indrindra eo imason'Andriamanitra. "Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy" — Rôm. 8:9b. ST, 14 Jolay, 1887. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal