Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?

Daty
Alatsinainy 21 July 2025

Vakio ny Eks. 7:3, 13, 14, 22. Ahoana no fahatakarantsika ireo andininy ireo?

 Intsivy no anambaran'ny Eksodosy fa Jehôvah no manamafy ny fon'i Farao (Eks. 4:21; Eks. 7:3; Eks. 9:12; Eks. 10:1, 20, 27; Eks. 11:10; Eks. 14:4, 8; jereo koa ny Rôm. 9:17, 18). Intsivy koa anefa i Farao no voalaza fa nanamafy ny fony (Eks. 7:13, 14, 22; Eks. 8:11, 15, 28; Eks. 9:7, 34, 35).

lza no nanamafy ny fon'ilay mpanjaka - Andriamanitra sa izy tenany ihany (Farao)?

Mahaliana tokoa ny fitantaran'ny Eksodosy momba ireo loza folo, izay ahitana fa i Farao ihany no tompon'andralkitra amin'ny fahamafisan'ny fony teo anatrehan'ireo loza dimy voalohany. Manomboka eo amin'ny loza fahenina kosa, dia ambaran'ny lahatsoratry ny Baiboly fa Andriamanitra no nanamafy ny fon'i Farao (Eks. 9:12). Izao no hevitr'izany rehetra izany: Nohamafisin'Andriamanitra na nataony lalindalina kokoa ny safidy manokana nataon'i Farao sy ny asa nataony araka ny nahim-pony; efa nambaran'Andriamanitra tamin'i Mosesy fa hanao izany Izy (Eks. 4:21).

Raha lazaina amin'ny teny hafa, dia nandefa ireo loza samihafa Andriamanitra mba hanampiana an'i Farao hibebaka sy mba hanafahana azy amin'ny fahamaizinana sy ny fahadisoan'ny fisainany. Tsy namorona faharatsiana vaovao tao am-pon'i Farao tsy akory Andriamanitra fa navelany nitoetra tao anatin'ny fironana ho amin'ny ratsy izay efa tao anatiny rahateo i Farao. Nesoriny teo amin'i Farao ny fahasoavana izay miaro sy mamefy azy ka natolony ho amin'ny faharatsiam-panahiny ihany izy (jereo ny Rôm. 1:24-32).

Nanana safidy malalaka i Farao - azony natao ny nisafidy hiandany amin' Andriamanitra na hanohitra Azy - ary nifidy ny hanohitra an'Andriamanitra izy.

Mazava ny lesona. Efa nomena antsika ny fahafahana misafidy ny mety na ny tsy mety, ny tsara na ny ratsy, ny fankatoavana na ny tsy fankatoavana. Hatramin'i Losifera tany an-danitra ka hatramin'i Adama sy i Eva tany Edena, ary hatramin'ny Farao tany Egypta ka hatramin'izao fotoana izay iainantsika izao - na aiza na aiza isika no mitoetra, dia mifidy ny fiainana na ny fahafatesana isika (Deo. 30:19).

Indro misy sary an'ohatra iray: alao sary an-tsaina ny tara-masoandro izay miantefa eo amin'ny dibera sy ny tanimanga. Mampitsonika ny dibera izany, saingy manamafy ny tanimanga. Mitovy ihany ny hafanan'ny tara-masoandro tonga eo amin'ireo roa ireo, saingy samy hafa ny vokatr'izany eo aminlizy roa. Miankina amin'izay iantefan'izany ny vokatra miseho. Ho an'i Farao, dia azo lazaina fa niankina tamin'ny toetry ny fony manoloana an'Andriamanitra sy ny vahoakany izany.

Inona ny fanapahan-kevitra, miankina amin'ny safidy malalaka, horaisinao ao anatin'ny andro vitsivitsy ho avy? Raha fantatrao ny safidy tokony hatao, ahoana no hanomananao ny tenanao hanao izany? 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal