Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hevero manokana ireo mambra sahirana

Daty
Alahady 18 February 2024

"Koa araka my ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana "Gal. 6:10.

Napetrak'i Kristy tamin'ny fomba tamin'ny fiangonany ny adidy momba ny fikarakarana ny sahirana amin'ireo mambra ao aminy. Ekeny ho ao anatin'ny faritry ny fiangonana ireo mahantrany. Tsy maintsy ho eo amintsika mandrakariva ireo, ary ankininy amin'ny mambran'ny fiangonana ny andraikitra manokana hikarakara azy ireny. Tahaka ny mambran'ny ankohonana, mifampiahy, mikarakara ny marary, manohana ny reraka, mampianatra ny bado, manofana ny vao mianatra, dia toy izany koa ny mpianakavin'ny finoana, mikarakara ireo tsy mana-mpiahy ao aminy.

Adidin'ny fiangonana tsirairay ny mandrafitra fandaminana amim- pitandremana sy amim-pisainana tsara momba ny fikarakarana ireo mahantra sy marary ao aminy. Ny tsirambina, na kely aza, ataon'ny mpanara-dia an'i Kristy, ny tsy firaihana amin'ny fanamaivanana ny fahasahiranan'ireo rahalahy na rahavavy milanja ny ziogan'ny fahantrana sy ny fahoriana, dia voarakitra ao amin'ny bokin'ny lanitra toy ny natao tamin'i Kristy, izay ao amin'ny olony masina. Maro be ireo izay hampamoahina eo anatrehan'ny Tompo noho ny fitoriany ny tenin'i Kristy amin'ny hafa, nefa tsy mba mangoraka na mihevitra ireo mpiray fanantenana aminy izay tsy mba manana tombontsoa sy fahombiazana tahaka azy.

Izay naman'ny mahantra no tena Kristianina marina. Toy ny fikarakarany zava-maniry marefo sy malefaka ary mora malazo no ikarakarany ny rahalahiny (na rahavaviny) ao anatin'ny fahaverezan-kevitra. Tian'Andriamanitra hankeo anivon'ny marary sy ny mijaly ireo mpiasany mba ho mpampita ny hafa-pitiavany sy ny hafa-pamindrampony. Manara- maso antsika Izy, mijery ny fomba fifampitondrantsika, tahaka an'i Kristy ve isika amin'ny fitondrantsika ny olona rehetra, na ambony na ambany.na manankarena na mahantra, na olona afaka na andevo?

Tsy misy iadian-kevitra ny amin'ireo mahantran'ny Tompo ireo. Tsy maintsy ampiana izy ireo amin'izay mahasoa azy amin'ny fotoana rehetra. - MLT, L. 245.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal