Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitondra hafa-panantenana sy fampaherezana ny zavaboary

Daty
Alarobia 13 August 2025

 "Mampandeha loharano eny amin'ny lohasaha Izy; eny anelanelan'ny tendrombohitra no alehan'ireny, ka isotroan'ny bibi-dia rehetra, sy analan'ny boriki-dia ny hetahetany." — Sal. 104:10,11.

Mofon’aina:
Ny zavaboary sy ny fanambarana avy any ambony, dia samy mampiseho ny fitiavan'Andriamanitra ny olona. Ny Raintsika any an-danitra no loharanon'ny fiainana sy ny fahendrena ary ny fifaliana. Jereo ange ireo zava-mahagaga sy tsara tarehy amin'ny zavaboary e! Eritrereto ange izao fanamboarana azy mahatalanjona, ka tonga amin' izay ilana azy indrindra sy izay hampiadana, tsy ny olona ihany, fa ny zava-manana aina rehetra koa. Ny hainandro sy ny ranonorana, izay maharavoravo sy manavao ny tany; ny tendrombohitra sy ny ranomasina ary ny tany lemaka; ireny rehetra ireny dia samy milaza amintsika ny fitiavan'ny Mpamorona. (...)

(...) Efa nataon'Andriamanitra masina sy tanteraka ny olona tamin'ny voalohany. Ary fony vao nivoaka teo am-pelatanan'Ilay Nahary ny tanintsika, dia tsara tsy nisy kilema, ka tsy nahitana na dia aloky ny fanozonana kely akory aza. Fa ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra -dia ny lalàn'ny fitiavana - no nitondra loza sy fahafatesana. 

Kanefa na dia ao amin'ny fijaliana vokatry ny fahotana aza, dia mbola miseho ihany ny fitiavan'Andriamanitra. Voasoratra fa nozonin'Andriamanitra ny tany noho ny nataon'ny olona. Ny tsilo sy hery, izany hoe fahasahiranana sy fahoriana izay mahatonga ny fiainantsika ho feno fanahiana sy asa mahareraka, dia voatendry hahasoa antsika, ho isan'ny fanamboarana ilaina amin'ny fikasan'Andriamanitra hampisondrotra antsika avy amin'ny faharavana (...) vokatry ny fahotana. 

Izao tontolo izao, na dia efa simba aza, dia tsy alahelo sy fahoriana avokoa tsy akory (...). Misy fampanantenana sy fampiononana eo amin'ny tenan'ny zavaboary. Fa misy voninkazo eny amin'ny hery, ary ny tsilo dia rakotry ny vonin-draozy. 

"Andriamanitra fitiavana" no voasoratra eny amin'ny tsiry vao mivelatra sy eny amin'ny ahitra vao mitsimoka. Ny vorona maha-te ho tia izay mampiravoravo ny habakabaka amin'ny hirany mahafinaritra, ny voninkazo misoratsoratra izay mandefa ny fofony manitra mamerovero eny amin'ny rivotra, ny hazo mijoalajoala ao an'ala izay miravaka ny raviny maitso mavana —Ireny rehetra ireny dia mitory ny fitiavana fatratra sy ny fitandremana ambony indrindra ataon'Andriamanitra ary ny faniriany hahasambatra ny zanany. — DHK, tt. 6-8. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal