Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahatoky mandrakizay amin'ny fanekeny

Daty
Talata 27 February 2024

Vakio ny Sal. 89:27-32, 38-46 sy ny Sal. 132:10-12. Momba ny inona ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'i Davida? Inona no nahatonga izany hotandindomin-doza?

Ny fanekena natao tamin'i Davida dia ahitana ny teny fikasan'Andriamanitra momba ny fanohanany mandrakizay ny taranak'i Davida sy ny taranaky ny vahoakan'Andriamanitra (1 Sam. 7:5-16; Sal. 89:1-4, 19-37; Sal. 132:12-18). Ny fianianana nataon'Andriamanitra tamin'ny fomba manetriketrika sy ny fahatokian'ny mpanjaka amin'Andriamanitra no niorenan'ny tsy fiovaovan'ny fanekena. Na dia ny mpanjaka feno fanoloran-tena tahaka an'i Davida aza anefa dia tsy mahatoky amin'Andriamanitra mandrakariva. Mitaraina ny Sal. 89 noho ny toe-java-tsarotra izay toa manondro fa efa very ny teny fikasana sarobidin'ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'i Davida. Moa ve nafoin'Andriamanitra tanteraka Isiraely? Mazava loatra fa "tsia" no valin'izany!

Eny tokoa, fanehoana ny fitsaran'Andriamanitra ny firehetan'ny fahatezerany (Sal. 38:1; Sal. 74:1). Tsy maharitra mandrakizay anefa izany satria ny fitiavan'Andriamanitra mandrakizay dia mamela ny heloky ny olona rehefa mibebaka izy ireo. Tsy azo hamaivanina anefa ny fisehoan'ny tsy fahafalian'Andriamanitra manoloana ny faniasiavan'ny olony. Tsapan'ny olona ny vokatra mangidin'ny tsy fankatoavan'izy ireo ary tsapany ny haben'ny fahotany (Sal. 89:38-46). Manontany anefa izy hoe: "Mandra-pahoviana?" raha miresaka ny amin'ny fahatezeran'Andriamanitra mandalo (Sal. 89:46). Fanantenana vaovao no nitsimoka avy tamin'ny toky vaovao momba ny fahatokian'Andriamanitra amin'ny "fahatsiarovany" ny Fahasoavany (Sal. 89:47, 50).

Raha fintinina, na dia tsy nahomby tamin'ny fihazonana ny fanekena aza ny olombelona, dia azon'izy ireo natao ny nitoetra tao amin'ny fampanantenana ny amin'ny fikasan'Andriamanitra tsy miova tamin'ny alalan'ny Mesia; ao Aminy ny fahamarinana rehetra sy ny famonjena ny Isiraely sy izao tontolo rehetra izao. Midika izany fa handresy Andriamanitra amin'ny farany ary haorina mandrakizay ny fanjakany. Noho ny amin'i Jesôsy irery ihany anefa izany fa tsy noho ny amin'ny vahoakan'Andriamanitra.

I Jesôsy Kristy no llay Zanak'i Davida ary koa ny Mesia (Mat. 1:1; Heb. 1:8). "Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao" no iantsoana Azy (Kôl. 1:15) ho famerenana ny Sal. 89:27, izay miantso an'i Davida (ilay tandindon'i Kristy) ho lahimatoan'Andriamanitra. "Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa,/Ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany."

Mazava fa tsy manondro ny toeran'i Davida araka ny fizokiana ny hoe "lahimatoa", satria zaza fahavalo amin'ireo zanaky ny ray aman-dreniny izy (1 Sam. 16:10, 11). Tahaka izany koa i Jesôsy. lo fiantsoana io dia midika ho voninahitra sy fahefana manokana (Kôl. 1:16, 20-22). Nataon'Andriamanitra ho Mpanjaka ambonin'izao rehetra izao i Jesôsy rehefa nanangana Azy tamin'ny maty Izy (Asa. 2:30, 31).

Vakio ny Kôl. 1:16, 20-22. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo antsika momba an'i Jesôsy sy izay nataony ho antsika? Inona ny teny fikasana azonao tsoahina manokana avy amin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal