Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MANDRAY LESONA AVY AMIN'NY LASA

Daty
Sabotsy 02 March 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 78; Sal. 105; Gal. 3:29; Sal. 106; Sal. 80; Nom. 6:22-27; Sal. 135.

Tsianjery: "Izay efa rentsika sy fantatsika, ary nambaran'ny razantsika tamintsika, dia tsy mba hafenintsika amin'ny zanany; fa hambarantsika amin'ny taranaka ho avy ny fiderana an'i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony." - Sal. 78:3,4.

Ao amin'ny Salamo maro, ny fiderana dia miseho amin'ny endrika fitantarana ny asam-pamonjena mahagaga nataon'i Jehovah. Ny sasany manasa ny vahoakan'Andriamanitra handray lesona avy amin'ny tantarany, indrindra avy amin'ny fahadisoana nataon'izy ireo sy ny razany. Mibahan-toerana ny hira ao amin'ny sasany amin'ireny Salamo tantara ireny, izay manasongadina ny asa mahagaga nataon'Andriamanitra ho an'ny vahoakany tamin'ny lasa, ary koa manamafy ny fitokian'izy ireo amin'i Jehovah, Izay mahatoky sy mahay manafaka azy ireo amin'ny ady sarotra atrehiny.

Izao no mampiavaka ny Salamo tantara: ampiany isika hahatsapa fa ny tantaram-piainantsika dia ao anatin'ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra, ka ny tantara lasa dia tantaran'ny lasantsika. Koa satria voaray ho isan'ny fianakaviam-ben'ny vahoakan'Andriamanitra ara-tantara isika noho i Kristy (Rom. 8:15; Rôm. 9:24-26; Gal. 4:6,7), dia tantaran'ireo razantsika ara-panahy tokoa ny tantara lasan'ny vahoaka Isiraely fahiny. Noho izany dia afaka mandray ary tokony handray lesona avy amin'ny lasan'izy ireo isika, izay lasantsika koa.

Ny tanjona farany dia ny hahatsapan'ny taranaka tsirairain'ny vahoakan' Andriamanitra fa samy manana anjara kely kanefa tena manan-danja ao anatin'ilay tantara lehiben'Andriamanitra, ao anatin'ny ady ifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy izy ireo.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal