Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fanajana ny tranon’Andriamanitra

Daty
Alarobia 21 February 2024

“Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no Jehovah.” - Lev. 19:30.

Avo sy masina Andriamanitra; ary ho an’ny fanahy manetry tena sy mino, ny tranon’Andriamanitra eto an-tany, ny toerana izay iangonan’ny vahoakany mba hivavahana Aminy, dia vavahadin’ny lanitra. Fitaovana notendren’Andriamanitra hanomana ny olona ho amin’ilay fiangonana any an-danitra, ho amin’ilay fanompoam- pivavahana Iehibe lavitra, ny hira fiderana sy ny toriteny ataon’ireo mpanompon’i Kristy.

Rehefa miditra ao amin’ny toeram- pivavahana ny mpivory, dia tokony hanao izany amim-pahamendrehana izy ireo, ka hizotra amim-pahanginana ho eny amin’ny toerany. (...) Tsy tokony hekena ao amin’ny trano fivavahana ny resadresaka sy ny bitsibitsika ary ny fihomehezana, na aloha na aorian’ny fotoam-pivavahana. Toe-panahy araka an‘Andriamanitra mafana sy mavitrika no tokony ho hita taratra eny amin’ny mpivavaka rehetra.

Raha tsy maintsy hiandry minitra vitsy ny olona sasany mialoha ny hanombohan’ny fivoriana, dia aoka izy ireo hitahiry ny toe-tsain’ny fanokanan-tena marina mandrakariva, amin’ny alalan’ny fandinihan-tena mangina. Koa hanandratra ny fony any amin’Andriamanitra ao anatin’ny vavaka izy ireo mba hahatonga ny fanompoam-pivavahana ho tombontsoa manokana ho an’ny fony sy hitarika fanahy hafa ho amin’ny faharesen- dahatra sy fiovam-po. Tokony hotsaroan’izy ireo fa misy iraky ny lanitra ao amin’ilay trano. Very amin’ny ampahany lehibe ny fifandraisantsika mamy amin’Andriamanitra noho ny fitiavantsika miherikerika sy mihetsiketsika ary ny tsy firaihantsika amin’ny fotoam-pisaintsainana sy ny vavaka. (...)

Asandrato ao an-tsain’ny zanakareo ny fanevan’ny fivavahana kristianina; ampio izy ireo hampiditra an’i Jesésy eo amin’ny fanandramany; ampianaro izy haneho ny fanajana ambony indrindra ny tranon’Andriamanitra sy hahatakatra fa rehefa miditra ny tranon’i Jehévah izy ireo dia tokony hatao amin’ny fo nohalefahina sy nampileferin’ny eritreritra tahaka ireto izany: “Eto Andriamanitra; tranony ity. Tsy maintsy manana eritreritra madio sy antony manosika masina indrindra aho. (...) Ity no toerana ihaonan’ Andriamanitra amin’ny vahoakany sy itahiany azy.” (...)

‘Tsy ny mampianatra ihany no tokony hataon’ny ray aman-dreny fany mibaiko ny zanany koa, mba ho feno fifehezan- tena sy fanajana izy ireo rehefa miditra ny tranon’ Andriamanitra.

Aoka ianao hizatra amin’ny fanehoana fanajana mandra-pahatonga izany ho fiainanao. ~ MLT, t. 286.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (20)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal