Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asa ilana ny Fanahy Masina

Daty
Alakamisy 25 September 2025

 "Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao. Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan'ny voninahiny." - Isa. 60:1,2.

Mofon’aina:
Nandany alina manontolo nivavahana tamin'ny Rainy ny Mpanavotra antsika, ary ny vavaka indrindra no fototra nanorenana ny fiangonana kristianina sy ny hetsika misiônera. Niray saina sy toerana ny mpianatra, nitalaho tamin'ny Tompo mba hirotsahan'ny Fanahy Masina amin'izy ireo. 

Na efa mirotsaka mitafotafo amin' ny alalan'ny fantsona maro isan-karazany aza ny Fanahy Masina, dia arakaraka ny itadiavantsika Azy no hahabetsaka ny fatrany. Araka izany, raha miasa - amin-kafanam-po ho famonjem-panahy isika, dia ho voatarika mandrakariva hanavao ny fangatahantsika eo amin' ilay Loharanon'ny hery rehetra; ary toy izany no isian'ny fifandraisan'ny fanahy tsy tapaka amin'Andriamanitra. Manovo mandrakariva ao amin'ny ranon'aina ny finoana, ary tsy mety titra na oviana na oviana izany. (...)

Tena mila fahendrena avy any an-danitra isika! Tsy efa nampanantenaina antsika ve izany? "Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin 'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an 'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. Nefa aoka hangataka amin 'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin 'ny Tompo izany olona izany" – Jak. 1:5-8. Fanomezan-toky manao ahoana re izany! Feno sy mahafaoka be! (...) Tian'ny Tompo hanatona Azy amin-toky sy finoana tanteraka isika, hahazo antoka ny Teniny fa hotanterahiny tokoa izay nolazainy.

Raha mba tsapantsika mantsy ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana ny mambra tsirairain'ny fiangonana mba hanao zavatra! Tokony ho tsapantsika tsirairay avy ny adidy lehibe amin'ny maha-Kristianina, amin'ny fampiasana ny fananana sy ny fahaizana rehetra nankinin'Andriamanitra tamintsika, ka hanao izay fara herintsika isika ho fanatanterahana ny asa izay andras an ' ny Tompo hataontsika. (...) 

Mila finoana bebe kokoa isika, ary mita hamasinina ny fahaiza-manaontsika. Ambony sy mendrika ny tanjona eo anoloantsika. Tsy manana fotoana na teny holanina foana amin'ny adilahy isika. (...) Mila hamasinina ny herintsika. TSA, U. 43,44. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal