Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fepetra hahazoana fahasalamana tsara

Daty
Sabotsy 11 October 2025

" Raha hazoto hihaino ny feon’i Jehôvah Andriamanitrao hianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin’ny Egyptiana; fa Izaho no Jehôvah Izay mahasitrana anao." Eks. 15:26. 

Mofon’aina:
Mpitarika sy mpampianatra teo amin’ny Isiraely fahiny i Kristy, ary nampianatra azy ireo Izy fa valisoan’ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra ny fahasalamana. Ilay Dokotera lehibe nanasitrana ny marary tany Palestina dia efa niteny tamin’ny vahoakany avy tao amin’ny andri-rahona, ka nilaza taminy izay tsy maintsy hataony sy izay tian’Andriamanitra hatao ho azy. “Raha hazoto hihaino ny feon’i Jehôvah Andriamanitrao hianao, hoy Izy, ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina ireny; (...) fa Izaho no Jehôvah Izay manasitrana anao” – Eks. 15:26. Nanome baiko mazava ny Isiraely i Kristy mikasika ny fahazarany eo amin’ny fiainana, ka nanome toky Izy fa “harovany tsy ho azon 'aretina izy” – Deo. 7:15. Rehefa notanterahin’ny Isiraely ny fepetra, dia hita fa marina ny teny fikasana teo aminy.

Ho antsika ireny lesona ireny. Misy fepetra tokony hotazonin’izay rehetra te hiaro ny fahasalamana. (...) Tsy mahafaly ny Tompo ny tsy fahalalana mikasika ny lalàny, na ara-nofo na ara-panahy. Tokony hiara-miasa amin’Andriamanitra isika amin’ny famerenana ny fahasalamana amin’ny vatana sy amin’ny fanahy koa.

Tokony hampianatra ny hafa koa isika hiaro sy hamerina ny fahasalamany. Ho an’ny marary dia tokony hampiasa ny fanafody efa nomanin’Andriamanitra eo amin’ny zavaboary isika, ary tokony hanondro azy Ilay hany afaka mamerina izany. (...) Ny tena votoatin’ny Filazantsara dia ny famerenana amin’ny laoniny ny fahasalamana, ka tian’ny Mpamonjy ny hibaikoantsika ny marary, ny tsy manana fanantenana, sy ny tra-pahoriana hamikitra amin’ny heriny.

Tao amin’ny fanasitranana rehetra nataon’i Kristy ny herin’ny fitiavana; koa ny fizarantsika io fitiavana io, amin’ny alalan’ny finoana, no mety hahatonga antsika ho fiasana hanao ny asany. Raha ataontsika an-tsirambina ny mamatotra ny tenantsika hifandray amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy, dia tsy afaka hikoriana be dia be avy amintsika ho amin’ny vahoaka ny hery manome aina toy ny herinaratra.” – IFM, tt. 883,884.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal