Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fepetra hahazoana fahasalamana tsara

Daty
Sabotsy 11 October 2025

" Raha hazoto hihaino ny feon’i Jehôvah Andriamanitrao hianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin’ny Egyptiana; fa Izaho no Jehôvah Izay mahasitrana anao." Eks. 15:26. 

Mofon’aina:
Mpitarika sy mpampianatra teo amin’ny Isiraely fahiny i Kristy, ary nampianatra azy ireo Izy fa valisoan’ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra ny fahasalamana. Ilay Dokotera lehibe nanasitrana ny marary tany Palestina dia efa niteny tamin’ny vahoakany avy tao amin’ny andri-rahona, ka nilaza taminy izay tsy maintsy hataony sy izay tian’Andriamanitra hatao ho azy. “Raha hazoto hihaino ny feon’i Jehôvah Andriamanitrao hianao, hoy Izy, ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina ireny; (...) fa Izaho no Jehôvah Izay manasitrana anao” – Eks. 15:26. Nanome baiko mazava ny Isiraely i Kristy mikasika ny fahazarany eo amin’ny fiainana, ka nanome toky Izy fa “harovany tsy ho azon 'aretina izy” – Deo. 7:15. Rehefa notanterahin’ny Isiraely ny fepetra, dia hita fa marina ny teny fikasana teo aminy.

Ho antsika ireny lesona ireny. Misy fepetra tokony hotazonin’izay rehetra te hiaro ny fahasalamana. (...) Tsy mahafaly ny Tompo ny tsy fahalalana mikasika ny lalàny, na ara-nofo na ara-panahy. Tokony hiara-miasa amin’Andriamanitra isika amin’ny famerenana ny fahasalamana amin’ny vatana sy amin’ny fanahy koa.

Tokony hampianatra ny hafa koa isika hiaro sy hamerina ny fahasalamany. Ho an’ny marary dia tokony hampiasa ny fanafody efa nomanin’Andriamanitra eo amin’ny zavaboary isika, ary tokony hanondro azy Ilay hany afaka mamerina izany. (...) Ny tena votoatin’ny Filazantsara dia ny famerenana amin’ny laoniny ny fahasalamana, ka tian’ny Mpamonjy ny hibaikoantsika ny marary, ny tsy manana fanantenana, sy ny tra-pahoriana hamikitra amin’ny heriny.

Tao amin’ny fanasitranana rehetra nataon’i Kristy ny herin’ny fitiavana; koa ny fizarantsika io fitiavana io, amin’ny alalan’ny finoana, no mety hahatonga antsika ho fiasana hanao ny asany. Raha ataontsika an-tsirambina ny mamatotra ny tenantsika hifandray amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy, dia tsy afaka hikoriana be dia be avy amintsika ho amin’ny vahoaka ny hery manome aina toy ny herinaratra.” – IFM, tt. 883,884.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal