Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aoka hahalala onony

Daty
Alakamisy 16 October 2025

"Koa amin'izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany." - 1 Kôr. 10:31.

Mofon’aina:
Hoy ny Apôstôly Paoly : " Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin'ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò. Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra; fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako." - 1 Kôr. 9:24.

Ilain'ny Kristianina ny ho hentitra amin'ny fahalalana onony. Tokony hikendry fenitra ambony izy ireo. Zava-dehibe indrindra ny fahalalana onony eo amin'ny fomba fihinana, ny fomba fisotro sy ny fomba fitafy. Foto-kevitra no tokony hifehy fa tsy filana sy haitraitra. Ireo izay mihinana be loatra, na koa mihinana sakafo izay mampiahiahy ny kalitaony, dia mora mirona ho amin'ny fanaranam-po sy "ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin'ny fandringanana sy ny fahaverezana" - 1 Tim. 6.9. Ny "mpiara-miasa amin' Andriamanitra" dia tokony hampiasa ny hery miasa mangina rehetra ananany mba hampirisihana ny fipariahan'ny tena foto-kevitry ny fahalalana onony marina.

Midika zavatra maro ny fahatokiana amin'Andriamanitra. Manana fitakiana amin'ireo rehetra izay mandray anjara amin'ny fanompoana Azy Andriamanitra. Faniriany ny hihazonana ny saina sy ny vatana ao anaty fahasalamana tanteraka, ary ny hery sy ny fahafaha-manao rehetra ho eo ambanin'ny fifehezan’Andriamanitra, ary hotehirizina ho matanjaka araka izay fahazarana voakajy sy hentitra. Adidintsika amin'Andriamanitra ny manolotra tanteraka tsy misy fepetra ny tenantsika ho Azy. (...)

Ny tanjatsika sy ny fahafaha-manaontsika rehetra dia tokony hampito-mboina sy hatsaraina tsy an-kiato amin'izao fotoana fizahan-toetra izao. Ireo izay mankatò izany foto-kevitra izany ihany, sy voaofana hikolokolo mihinana sakafo izay mampiahiahy ny ny vatany ary manana fahatahorana an'Andriamanitra, no tokony hofidina hitana andraikitra amin'ity asa ity. - CDF, tt. 156,157.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (52)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal