Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aoka hahalala onony

Daty
Alakamisy 16 October 2025

"Koa amin'izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany." - 1 Kôr. 10:31.

Mofon’aina:
Hoy ny Apôstôly Paoly : " Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin'ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò. Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra; fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako." - 1 Kôr. 9:24.

Ilain'ny Kristianina ny ho hentitra amin'ny fahalalana onony. Tokony hikendry fenitra ambony izy ireo. Zava-dehibe indrindra ny fahalalana onony eo amin'ny fomba fihinana, ny fomba fisotro sy ny fomba fitafy. Foto-kevitra no tokony hifehy fa tsy filana sy haitraitra. Ireo izay mihinana be loatra, na koa mihinana sakafo izay mampiahiahy ny kalitaony, dia mora mirona ho amin'ny fanaranam-po sy "ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin'ny fandringanana sy ny fahaverezana" - 1 Tim. 6.9. Ny "mpiara-miasa amin' Andriamanitra" dia tokony hampiasa ny hery miasa mangina rehetra ananany mba hampirisihana ny fipariahan'ny tena foto-kevitry ny fahalalana onony marina.

Midika zavatra maro ny fahatokiana amin'Andriamanitra. Manana fitakiana amin'ireo rehetra izay mandray anjara amin'ny fanompoana Azy Andriamanitra. Faniriany ny hihazonana ny saina sy ny vatana ao anaty fahasalamana tanteraka, ary ny hery sy ny fahafaha-manao rehetra ho eo ambanin'ny fifehezan’Andriamanitra, ary hotehirizina ho matanjaka araka izay fahazarana voakajy sy hentitra. Adidintsika amin'Andriamanitra ny manolotra tanteraka tsy misy fepetra ny tenantsika ho Azy. (...)

Ny tanjatsika sy ny fahafaha-manaontsika rehetra dia tokony hampito-mboina sy hatsaraina tsy an-kiato amin'izao fotoana fizahan-toetra izao. Ireo izay mankatò izany foto-kevitra izany ihany, sy voaofana hikolokolo mihinana sakafo izay mampiahiahy ny ny vatany ary manana fahatahorana an'Andriamanitra, no tokony hofidina hitana andraikitra amin'ity asa ity. - CDF, tt. 156,157.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal