Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Matsiro sady mahasalama.

Daty
Zoma 17 October 2025

"Nahoana hianareo no mandany vola amin'izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin'izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin 'ny matavy ny fanahinareo." - Isa. 55:2.

Mofon’aina:
Maro amintsika, na dia mitandrina fatratra tsy hihinana sakafo tsy mahasalama aza, no manao tsirambina ny  fihinanana sakafo misy ireo otrikaina ilaina amin'ny fikolokoloana ny vatana. Ireo izay manana fomba fjery tendrony loatra ny fanavaozana ara-pahasalamana dia atahorana hanao fahazarana ny mihinana sakafo tsy misy tsirony, izay hataony matsatso loatra ka zary tsy hahafa-po. Ny sakafo karakaraina dia tokony ho sady maha-te hihinana no mitondra otrikaina. Tsy tokony hesorina amin'ny sakafo ny singa ilain'ny vatana. (...)

Na dia misy aza ny fampitandremana mikasika ny loza ateraky ny aretina azo avy amin'ny dibera, sy ny maharatsy ny fampiasana atody ho an'ny ankizy madinika, dia tsy tokony heverina ho fandikana ny foto-kevitra ny fampiasana ny atody azo avy amin'ny akoho voakarakara tsara sy voafahana araka ny tokony ho izy. Ny atody dia manasitrana ny vatana satria maro amin'ny poizina sasantsasany.

Ny sasany, izay mifady ronono, atody sy dibera, dia tsy nanome araka ay tokony ho izy ho an'ny vatany ny otrikaina ilainy, ary vokatr'izany dia mihaosa ny tenany ary tsy mahavita miasa. (...) Ny filazantsara dia natao hitondra firindrana ho an'ny taranak'olombelona mpanota. Ny filazantsara dia natao hitarika ny mpanankarena sy ny mahantra ho eo an-tongotr'i Jesôsy.

Ho avy ny fotoana izay tsy maintsy ialantsika amin'ny sasany amin'ireo sakafo fihinantsika ankehitriny, toy ny ronono, ny hero-dronono sy ny atody; kanefa tsy dia ilaina ny miteraka adin-tsaina amin'ny alalan'ny fameperana aloha loatra sy diso tafahoatra. Aoka handrasana hitaky izany ny toe-javatra, ary efa manomana ny lalana ho an'izany ny Tompo. (...)

Aoka isika tsy hanohitra ny fanavaozana ara-pahasalamana ka hihinana sakafo mahasalama sy tsara tsiro ho solon'ny sakafo mankarary izay nialantsika.

Aza mampirisika velively ny fironana ho amin'ny zavatra manaitaitra. Aoka tsy hihinana afa-tsy sakafo tsotra sy mahasalama, ary misaora mandrakariva an'Andriamanitra noho ireo foto-kevitry ny fanavaozana ara-pahasalamana. Amin'ny zavatra rehetra dia aoka ho marina sy mahitsy, dia hahazo ny fandresena sarobidy ianareo. —RH, 03 Marsa 1910.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal