Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fehezina dieny mbola Zaza

Daty
Sabotsy 18 October 2025

"Ny fahatahorana an’i Jehôvah no fiandoham-pahalalana; fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. " Ohab. 1:7. 

Mofon'aina:
Ankoatra ny aretina izay zary tarazo manaranaka dia afindran’ny ray aman-dreny amin’ny zanany koa ny fahazaran-dratsiny, ny filàny mivaona sy ny fitiavany zava-dratsy. Tsy mora mandray lesona avy amin’ny tantara tamin’ny lasa ny olona. Mahazendana ny tsy fisian’ny foto-kevitra sy ny tsy firaharahana ny lalàn’ny aina sy ny fahasalamana izay manamarika ny taranaka ankehitriny. (...)

Ny mampitebiteby ny ankamaroan’ny olona dia hoe: “Inona no hohaniko? Inona no hosotroiko? Ary inona no hotafiako?” Na eo aza izay voambara sy voasoratra rehetra momba ny maha-zava-dehibe ny fahasalamana sy ny fomba fikolokoloana azy, dia ny filana no lalàna lehibe mifehy ny olona ankehitriny.

Inona no tokony hatao mba hampitsaharana ny fiitaran’ny aretina sy ny heloka izay mampitotongana ny taranak’olombelona ho amin’ny fahasimbana sy fahaïàtesana? Koa satria ny fanaranam-po amin’ny filana no fototry ny olana, dia ny fianarana sy ny fampiharana lesona momba ny fahalalana onony sy ny fifehezan-tena no asa fanavaozana voalohany tsy maintsy atao.

Mba hisian’ny fanatsarana maharitra eo amin’ny fiarahamonina dia tsy maintsy atomboka amin’ny fahazazana ny fanabeazana ny vahoaka. Ny fahazarana miforona amin’ny fahazazana sy ny fahatanorana, ny zavatra tiana, ny fifehezan-tena rantovina, ny foto-kevitra nampianarina dieny mbola zaza menavava, dia azo antoka fa hamaritra ny hoavin’ny olona tsirairay. Ny heloka sy ny fahasimbana ateraky ny tsi-fahalalana onony sy ny fitondran-tena goragora dia azo sorohina amin’ny alalan’ny fanabeazana araka ny tokony ho izy ny tanora.

Ny fahasalamana tsara ara-batana dia anisan’ny manampy be indrindra amin’ny famolavolana toetra madio sy ambony ho an’ny tanora, sady manamafy ny fifehezany ny filàna sy miaro azy amin’ny fironana manambany. (...)

Ny fahatanorana no fotoana mety hanorenana tahirim-pahalalana izay hampiharina eo amin’ny fiainana isan’andro. Ny fahatanorana no fotoana mety hanorenana fahazarana tsara, hanitsiana ireo fahazaran-dratsy efa azo, hahazoana sy hanamafisana ny herin’ny fifehezan-tena, ary hamolavolana drafitra sy hanazaran-tena amin’ny fikendrena ny zavatra atao rehetra mba hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy izay mahasoa ny mpiara-belona. — RH, 13 Desambra 1881.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (52)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal